Anisan’ireo tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny pasitera Mailhol na André Christian Dieudonné nandritry ny lanonam-panjakana fifampiarahabana nahatratra ny taona farany teo.
Nambarany fa antony 2 no tsy nahatongavany teny. Ny voalohany dia noho ilay rivodoza satria nahazo antso avy any Toamasina ny tenany nilaza fa nisy fiangonan’ny Apokalypsy ravan’i Ava tanteraka. Tsy eken’ny saiko, hoy izy, hoe ny havako traboina, izaho aty hilanonana. Faharoa, taorian’ny nanambarako fa kandida ho filoham-pirenena aho dia be ny tsaho niparitaka fa kandidan’ny HVM ny tenako. Raha tonga teny Iavoloha aho angamba izany dia vao mainka nahazo vahana ireo mpanely tsaho ireo. Hita ho miha mihataka tsikelikely indray amin’ny fitondram-panjakana araka izany ity mpitondra fivavahana sy filoha mpanorina ny antoko politika Gideona ho Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara na ny GFFM ity. Azo heverina ho fantsy ho an’ny filoham-pirenena manokana iny fanehoan-keviny mikasika ny antony tsy niakarany teny an-dapa iny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.