Niteraka adihevitra na teo anivon’ny fiarahamonina na tany anaty etamazaoro politika isan-karazany tany ny antony tsy maintsy nandehanan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina tany Roma Italia nanatrika ilay fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo ny 16 oktobra lasa teo.
Tsy dia hita akory anefa izay tena maha zava-dehibe ilay fivoriana rehefa nojerena ny fampitam-baovao ofisialy ; raha ny fandinihana azy dia teo ihany io fivoriana io fa ny hihaona sy hiresaka mivantana tamin’ny Papa François no tena anton-dian’i Hery Rajaonarimampianina tany Italia.Nanatrika io fihaonana tamin’ny alatsinainy io mantsy ny Papa Ray Masina.Mazava tsara ihany koa ny fampitam-baovao ofisialy avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika izay nilaza fa : « niarahaba sy nankasitraka manokana ny Papa François ny Filoha Hery Rajaonarimampianina amin'ny fanohanany sy fanampiana amin'ny maha olona izay ataony ho an'ny mpifindra monina sy ny mahantra rehetra maneran-tany. Mahatoky sy manohana tanteraka ireo ezaka ataon'ny Papa ireo i Madagasikara, hoy ny Filoha Malagasy. ».Mpifindramonina izany no tena votoatin-dresaka teto, ny Papa François dia anisan’ireo miaro fatratra ny zon’ny olona mpifindra monina araka ny lahatsoratra navoakany ny 21 aogositra 2017.Soritany manokana aho ny tokony hanalefahana kokoa ny fanomezana fahazoan-dalana hiditra ao amin’ilay firenena hialokalofana (Visa) ,ny fahafahan’ny fianakaviana miaraka, ny fahafahana mahazo asa.Nisy fotoana niteraka resabe teto Madagasikara ilay filazana fa mety handray ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina avy any Syria i Madagasikara.Nandà mafy ny fisian’io fifanarahana io ny filoha Rajaonarimampianina ary tena nasiaka tamin’ny mpanao gazety namoaka ilay vaovao mihitsy aza.Ankehitriny anefa milaza ny filoha Rajaonarimampianina tany Italia fa manohana ny Papa Ray Masina amin’ny fiarovana ny zon’ny mpifindra monina.Tena izay tokoa ve no izy sa pi-maso nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny Papa François sy ny Vatican izay manana lanjany goavana eo amin’ny politika sy fifandraisana iraisam-pirenena ny anton’io fanambarana io.Hita ho mihitsoka mantsy ny fahazoan’i Madagasikara fanampiana bolongam-bola matevina avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary efa tena sempotry ny tsy fananam-bola ny fanjakana.Miha mazava ny resaka eto fa nanao pi-maso tamin’ny Papa Ray Masina ny filoha Malagasy mba hanohana azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.