Politique

Hery Rajaonarimampianina Nihaona tamin’ny YALI teny Iavoloha


  • Zoma 12 Febroary 2016

Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly alakamisy 11 febroary ny solontenan’ireo tanora malagasy nahazo ny vatsim-piofanana nankany Etazonia antsoina hoe Mandela Washington

 

Fellowship ny taona 2014 sy 2015 izay tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asan’ny Filoham-pirenena Amerikanina Barack Obama Young African Leaders Initiative (YALI) na fandaharan’asa ho an’ny Tanora mpitarika aty Afrika. Niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny masoivoho Amerikanina sy ny USAID ary notarihan’ny Ambasadaoro Robert Yamate izy ireo tamin’izany. Nandritra ny fihaonana dia nanazava tamin’ny Filoha Rajaonarimampianina ny tetikasa sy ezaka tian’izy ireo hotratrarina mba hampandrosoana ny firenena ireo tanora mpitarika ireo. Ohatra amin’izany ny eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny kolikoly, ny fanampiana ny tanora hahazo fampindramam-bola madinika sy hanana fahaiza-mitarika, ny famokarana angovo azo havaozina ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Nankasitrahan’ny filoha malagasy ity fitsidihana ity ary nilaza ny hanohana ny ezaka izay ataon’ireo tanora YALI ireo ny tenany, indrindra ny tetikasa mifandraika amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nandritra ity fihaonana ity dia nilaza ny Ambasadaoro Robet Yamate fa hitombo avo roa heny amin’ity taona ity ny isan’ireo tanora afrikanina hahazo ny vatsim-piofanana Mandela Washington Fellowship ka raha 500 isan-taona izany teo aloha dia tafakatra 1000 manomboka amin’ity taona ity. Antenaina fa hitombo isa ihany koa ireo tanora Malagasy izay hofantenana hahazo io vatsim-piofanana io amin’ity taona ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT