Politique

Hery Rajaonarimampianina Niaro mafy ny fianakaviany


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Efa nandray ny andraikitro aho ary nampanao fanadihadiana lalina momba ny raharaha Anjozorobe.

 

 Io no tenin’ny filoham-pirenena ny sabotsy lasa teo, teny Iavoloha raha nitafa tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fihaonany tamin’ireo ben’ny tanàna avy any Vakinankaratra izy. Teneno ny marina, hoy izy, asehoy ny sary tena marina, aoka mba ny vaovao tena marina no avoakan’ny mpanao gazety ary aza fitahana ny vahoaka. Aza ampiadiana amin’ny Antandroy aho. Efa hita fa misy ny fanorenana fotodrafitrasa sy fametrahana vahaolana maharitra amin’ny kere dia misy vondron’olona manaratsy sy mitady hisakana izany, hoy i Hery Rajaonarimampianina ka mahatonga izao fampiadiana ahy amin’ny Antandroy izao. Tsy vao izao no misy fanasoketana ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika hoy izy, hajaiko ny fahafahana eo amin’ny filazam-baovao,  saingy mitaky fandraisan’andraikitra lehibe izany, ary tokony hanaja ny fiainan’ny fianakaviako ny mpanao gazety, hoy ny filoha. Mirona amin’ny famafazana tsaho ny fanaovana politika eto amintsika, hoy i Hery Rajaonarimampianina ka tokony hahay hanavaka tsara ny zava-misy tena nitranga marina sy ny lainga ny rehetra. Niaro mafy ny fianakaviany ny filoham-pirenena sady nanome lesona ny mpanao gazety sy ny mpanao politika ary nitsipaka marindrano ny mety mahatafiditra ny zanany tamin’ilay raharaha Anjozorobe. Andrasan’ny rehetra izay mety ho vokatr’ilay fanadihadiana lalina, raha hivoaka tokoa izany fa tsy ho maty an-karanany na mangina tsimoramora eny tahaka ny ankamaroan’ireo afera maizina eto amin’ny firenena. An-kilan’izay, ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha ary ny vy tsy mikitrana irery ka tokony hieritreritra tsara ny fianakavian’ny filoham-pirenena sy ireo olona akaiky azy amin’ny fiteny sy ny fihetsika ary ny zavatra atao fa ny rindrina anie manan-tsofina e ! Tsy misy olona na mpanao gazety handany andro hamoron-dainga eto ka hahita tantara natsangana manokana ho an’ny fianakavian’ny filoha isaky ny mihetsika izao fa misy ny zavatra tsy mety ao matoa kianina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT