Politique

Hery Rajaonarimampianina Niantso firaisan-kina


  • Talata 12 Jolay 2016

Nilamina fa tsynitratrevatreva tahaka ny fanaony omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary niantso « fifantohana amin’ny firaisankina, ny fitoviana sy ny fifamenoana, izay sampana telo mifehy ny teny filamatry ny Frankofonia »

 

 raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe faha 42 n’ny antenimeran’ny Frankôfônia teny amin’ny CCI Ivato.Ilaina ny fifanohanana sy fifanampiana manoloana ireo herisetra sy asa fampiorohoroana mitranga maneran-tany amin’izoa fotoan ahoy ny filoha Malagasy . Ny Sekretera Jeneralin’ny Frankofonia, Michaëlle Jean, kosa dia nanantitrantitra nandritra ny lahateniny fa  : « ny fahombiazana hiarahana misalaha amin’ny lafiny fandriampahalemana, fitoniana ary ny fiaraha-miasa no zava-dehibe indrindra, miankina amin’izany indrindra ny ho avin’ireo tanorantsika ireo ». Ny filohan’ny Antenimieran’ny Frankofonia, Aubin Minaku Ndjalandjoko, sady filohan’ny Antenimieram-pirenenan’ny Repoblikan’ny Congo sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy dia nandray fitenenana ihany koa omaly. Nisy moa omaly hariva ny fiaraha-misakafo teo amin’ireo delegasion’ny parlemanta Frankôfôna ireto sy ny fitondra-panjakana notarihan’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha, ary mbola hihaona manokana ihany koa izao maraina izao ny filoham-pirenena sy Rtoa Michaelle Jean sekretera jeneralin’ny OIF.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT