Natomboka omaly alarobia 3 aogositra 2016 ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa ka ny ampahan-dalana eo anelanelan’i Tsarafidy sy Iboaka mirefy 40 km mahery ary handaniana 12 miliara
ariary no tanterahana avy hatrany aloha hosahanin’ny orinasa Colas. Haharitra efa-bolana ny asa ary hitohy mankany Toliara ny fikojakojana sy fanamboarana ny RN 7 ity. Tonga tany Ambohimahasoa omaly ary nitafa mivantana tamin’ny mponina ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nohamafisiny fa miasa mafy ho amin’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny rehetra ny fitondram-panjakana tarihany. Misy ny fahasahiranana ary indrisy fa soavalian’ny olona sasany mba hanakorontanana sy hanaovana kajikajy politika izany, hoy izy. Ilaina ny fitiavan-tanindrazana sy ny fifanomezan-tanana amin’ny fanarenana ny firenena. Mafy ny nanjo antsika noho ny sazy nahazo an’i Madagasikara ary firenena mahantra sy sahirana no noraisiny hotantanana, roa taona sy tapany lasa izay. Efa tafaverina eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara ankehitriny. Tsy ampy anefa izany fa tsy maintsy miasa mafy ao anatin’ny fifampatokisana isika Malagasy raha te handresy ny fahantrana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.