Niara-dalana hatrany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, teny Tanjombato, omaly, niara-nitsidika ireo tranoheva naranty nandritra ny vela-tsehon'ny SIM 2016.
Ny tsikaritra dia nanaka-dresaka tamin’ny ben’ny tanàna ny filoha. Mety ho anisan’ny anton’ity fihetsiky ny filoha ny tsy fahitana ny ben’ny tanàna tamin’ny fitokanana ilay lalam-baovao teny Andohatapenaka izay mbola nanaraka ny tsy fahatongavany ihany koa teny amin’ny “route digue” sy ny teny Ivato. Misafotofoto be ihany moa ny resaka saingy raha fintinina sy aravona dia nataon'ny fitondrana foibe anjorom-bala tsotra izao tamin'ny fanomezana taratasy fanasana ofisialy ny avy eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra ka izay no tsy nahatongavan'i Lalao Ravalomanana teny Andohatapenaka.Ben'ny tananan'ny renivohitr'i Madagasikara ve no asaina manao taratasy fangatahana tahaka ny mpanao gazety mba hahafahana manatrika ny lanonana kosa ? Mety ho fialan-tsiny sa fanambatambazana ny ben’ny tanàna ve izany io fihetsika nataon’ny filoham-pirenena omaly io ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.