Politique

Hery Rajaonarimampianina Nanadio tena fotsiny


  • Sabotsy 07 Janoary 2017

Nanarina ny kabary fohy nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy nataony ny alin’ny faran’ny taona 31 desambra 2016 ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

 

 Naharitra 30 minitra latsaka mantsy ny halavan’ny fandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena omaly nandritra ny lanonam-panjakana fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 notanterahana teny Iavoloha. Nisongadina tamin’ny lahateniny ny fampiakarana ho 7% ny tahan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hotohizana hatramin’ny volana jiona 2017 ihany koa ny hetsika fanamorana fikarakarana ny fandovana tany natomboka tamin’ny volana janoary 2016.

Feno ireo fepetra

Niverina ny fifampitokisana teo amin’ny sehatra iraisampirenena sy i Madagasikara. Nanamafy izany ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris ny volana desambra 2016, hoy ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Tontosa ireo dingana samihafa toy ny fanatsarana ny fitantanana ankapobeny ny lafiny ara-bola sy ny fankatoavan’ireo mpiara-miombon’antoka ny drafi-pirenena fampandrosoana. Feno rahateo ireo fepetra rehetra ary tonga ny fotoana hampajariana ho vokatra ny harena eto Madagasikara miaraka amin’ny fahavononan’ny Malagasy hiala ao anatin’ny fahasahiranana sy ny fahantrana, araka ny tafa nifanaovan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny solontenan’ny mpamatsy vola.

Vina arahina enti-manana

Mila finiavana sy fahasahiana ny fikatsahana ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny fampiasana tsara ny volam-panjakana. Tsy mijanona ho vina intsony rahateo ireo asa marobe efa natomboka tamin’ny taona 2016 ary hotohizana sy hafainganina amin’ity taona 2017 ity, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Efa hananantsika ny vina miaraka amin’ny enti-manana fa mitaky kosa ezaka sy fandraisan’andraikitra avy amin’ireo manam-pahefana isan’ambaratonga mba tsy sakana hoan’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiaraha-monina ifotony. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT