Politique

Hery Rajaonarimampianina Namita-bahoaka tany atsimo indray


  • Talata 09 Febroary 2016

Tena mampalahelo ny mieritreritra ny fomba fisainan’ny mpitondra ankehitriny ny fahoriana mianjady amin’ireo mponina any atsimon’ny nosy, noho ny afitsoky ny hain-tany sy ny tsy fisian-tsakafo

 

         . Araka ny tatitra nataon’ny fandaharan’asan’ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo na ny PAM dia efa ho iray tapitrisa ny olona injadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo.

Fampanantenana

Tonga tany amin’ny distrikan’i Beloha Androy tokoa ny filoham-pirenena sy ny mpiara-dia aminy mba hitsidika ireo vahoaka sahirana sady nitondra vary sy voamaina hohanin’izy ireo mandritra ny andro vitsivitsy. Nialoha ny filoham-pirenena tany Tsihombe sy Ambovombe moa ny filohan’ny Tetezamita teo aloha atoa Andry Rajoelina izay nitondra fanampiana ihany koa ka dia efa raikitra ny tsindrotsindrona politika samihafa tamin’ny lahateny nataon’ny filoham-pirenena. « Tsy fampielezan-kevitra toy ny ataon’ny hafa manao fitaovana ny fahorian’ny vahoaka aty atsimo no ataoko fa ny asako amin’ny maha filoham-pirenena ahy », hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanao eson-teny ny rano “eau vive” nentin’ny filohan’ny tetezamita. Vahaolana maharitra no ilaina, hoy ny filoha amin’ny tsy fisian-drano fa tsy rano amin’ny tavoahangy. Ny filoham-pirenena nandritra ny lahateniny anefa dia ny lanitra sisa no tsy nampanatenainy ny vahoakan’i Beloha. Hanome voamaina sy vary fotsy no diany tany an-toerana fa nahalaniana mangahazo iray vilany kosa ny kabary nataony. Nampanantenain’ny filoha ny vahoaka tany an-toerana avokoa na rano fisotro madio hotaritina avy any Ampotaka, tetikasa ilana fantson-drano efa ho 140 km. Afaka telo andro koa, hoy ny nambarany dia tsy hisy intsony ny delestazy fa ho avy tsy ho ela toy ny gropy. Fa ny « panneaux solaires » no tena hatao, hoy izy.

Aiza ny vola ?

 Nampanatenaina ireto vahoakan’i Beloha izay fa repaky ny hanoanana ireto ihany koa ny kianja fanaovana fanatanjahantena avo lenta na terrain mixte. Asa moa izay tena mahamaika amin’izany. Ny hopitaly fandidiana, ny lalana ao an-tanàna atao tara amin’izay mba ho afaka manao kiraro mievotrevotra, hono, ny vehivavy any an-toerana. Lalina e ! Nandritra ny lahateniny ihany koa dia nampanantena ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-10 mampitohy an’i Beloha Androy sy Toliara ny tenany. Dia nitehaka sy nitsinjaky banaiky aby ndaty regny kanefa ny filoha tsy niteny akory hoe avy aiza daholo ny vola hanaovana izany rehetra izany. Mandrapaha aloha dia mbola ny kamion’ny AES ihany no hitatitra rano ho an’ny vahoaka, hoy izy namarana ny kabariny. Sao dia mba mampiesona indray e !


Ra-bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT