Amin’izao fotoana izao dia io oha-pitenenana malagasy mahitsy sy mazava io no mahalaza tanteraka ny fomba fiasan’ny filoham-pirenena malagasy. Hafa ny resaka ataony ary hafa ihany koa ny asa ataony.
Araka ny tatitry ny PAM na ny (Programme Alimentaire Mondial) dia efa mahatratra 1,9 tapitrisa ankehitriny no isan’ny vahoaka mila vonjy fa tsy manan-kohanina. Ireo mponina any amin’ny faritra atimon’ny nosy sy ireo tratran’ny fiakaran’ny ranobe tany amin’ny faritr’i Sofia sy Boeny iny ireo.
Vokatr’io salan’isa io dia anisan’ny firenena mahantra indrindra sy tsy manan-kohanina i Madagasikara aorian’i Malawi saingy eo alohan’i Zimbabwe kosa. Ny tena mampivarahontsana anefa dia mbola ny fikarakarana ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia amin’ny volana novambra ho avy izao no laharam-pahamehan’ny fitondrana. Ny voninahitra sy ny fisehoana ivelany ho mahavita mandray ity fivoriana ity no mahamaika ny mpitondra fa na tsy dia mampiasa saina azy ireo loatra io fanambarana nataon’ny PAM io. Hatreto dia efa hatrany amin’ny 20 miliara ariary no lanin’ny fanjakana amin’ny fanamboarana ny trano foiben’ny frankofonia sy ny pitsopitsony hafa fotsiny fa mbola manantena ny hitrosa vola hatrany amin’ny 3.000 tapitrisa euro indray ny fanjakana hamatsiana ny fikarakarana ny fandraisana ity fivorian’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay ity. Dradradradrain’ny filoham-pirenena hatrany fa hoe mijery sy mahalala ny fahoriam-bahoaka izy kanefa ny zava-misy tena hafa mihitsy. Miara-misaika e ! Ny tena mahavalalanina ihany koa dia ny fihatsarambelatsihin’ny mpamatsy vola vahiny sy ireo firenen-dehibe miara-miasa amin’ny fanjakana. Etsy an-kilany, mody manao fanakianana mivaivay amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra malagasy ireo solontenan’ny mpamatsy vola vahiny sy ireo masoivoho samihafa kanefa etsy an-daniny mandrafitra fiaraha-miasa mangingina amin’ilay mpitondra efa kianina fa tsy mahomby ihany. Miharihary ankehitriny fa tsy dia miasa saina loatra amin’ireo 92%-n’ny Malagasy 22 tapitrisa miaina ao anaty fahantrana ity fitondrana Hvm ity. Fihetsiketsehana no betsaka. Omena 4 alina na 2 alina na iray alina isaky ny roa volana ny tokantrano vitsivitsy amina distrika enina amin’ny 119. Dia midika inona izay manoloana ny fahantrana efa raiki-tampisaka ? Be resaka ny vondrona eoropeanina sy ny banky iraisam-pirenena kanefa toa miara-misaika aminy ihany. Aiza ho aiza ihany koa ilay fanjakana tsara tantana ? Vao omaly hariva ny filoha Hery Rajaonarimampianina no miantso ireo mpanambola malagasy hampiasa ny volany eto Madagasikara kanefa ny orinasa Tiko nahavita nitondra avo ny lazan’izany vita malagasy izany aza antsojay no atao azy. Sa tsy gasy Ravalomanana ? Izany no atao hoe mpitari-bato vilam-bava, hafa ny andehanan’ny tanany kanefa hafa no tondroin’ny molony. Nampanantenaina ho amin’ity fanjakana tsara tantana ity ihany koa ny fananganana ny Fitsarana Avo kanefa inona no eo ? Toa zary lasa pasipasy baolina eo amin’ny fiadidiana ny Repobilika sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fotsiny. Ilay fitsarana manokana hiady amin’ny kolikolin’andramena sy ny fanondranana taolam-paty nampanantenain’ny praiminisitra moa dia toa maty an-karanany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.