Saika nanao fampivoriana maika ireo ray aman-drenin’ny mpianatra avokoa ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ambaratonga faharoa teto Antananarivo ny sabotsy teo.
Mody ny resaka pesta no natao teny fampidirana. Nolazaina fa ho fanaovam-beloma ny “loza pesta” no antony hamoriana ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny alarobia15 novambra ho avy izao. Avy eo anefa nitohy tamin’ny resaka kahie “mora” 200 ariary ny singany izay vidiana 2100 ariary kosa ny fonosana ahitana kahie 100 pejy miisa 9 sy penina 2 manga sy mena avy amin’ny fiadidiana ny repoblika ary jifaina eny anivon’ireto sekoly miankina ireto ny resaka. Tsy vitan’izay fa mbola nasaina nisoratra anarana ihany koa ireo ray aman-dreny sy ny zanany ho tonga eny Antsonjombe fa hizara vatsim-pianarana ho azy ireo miaraka amin’ny mpanakanto malaza amin’izao fotoana ny filoham-pirenena mivady. Somary mampametra-panontaniana ihany moa hoe maninona no nitarazoka ny fifehezana ny aretina pesta ary naninona no izao vao misy ity hetsika fizarana vatsim-pianarana sy kahie mora ity ? Vakiana fotsiny fa efa propagandy ankolaky ny HVM sahady no miseho. Ny mampanahy dia anisan’ny sary sy horonantsary holalaovina amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny taona 2018 raha hipoka ny kianja amin’ny alarobia izao. Ankoatra izay, mibaribary fa miezaka mambabo ny fon’ny mponin’Antananarivo i Hery Rajaonarimampianina mivady satria ratsiratsy isam-bato teto ny HVM tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy nahita rirany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Eto Antananarivo ihany koa no hita fa tena mavaivay ny fanakianana sy fanoherana ny fitondrana HVM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.