Hanomboka indray ny fanitarana ny seranam-piaramanidina any Nosy Be. Antitra sy azo lazaina ho tsy manara-penitra kanefa andehanan’ny mpizahatany be indrindra eto Madagasikara.
Tany an-toerana nijery ifotony ny asa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny mpikambana maromaro ao anatin’ny governemanta, tazana tany an-toerana koa ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona. Toy ny mahazatra dia tsy hadinon’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny miedinedina sy milaza azy ho mahavita zavatra, ary toa mihantsy hatrany ireo tsy mitovy hevitra politika aminy. Nambarany fa afaka mandresy lahatra ny mpamatsy vola izy hatramin’ny nitondrany. Izao dia taratry ny fihazakazahantsika, ka tsy maintsy horesentsika ny fahantrana, tsy maintsy hiadivantsika ny kolikoly, tsy maintsy hiadivantsika ireo mpanararaotra amin’ny fampiakarana ny vidin-javatra, tsy maintsy miady hametraka fandriampahalemana … Afaka mijery anefa rehetra hoe mifanaraka amin’ny zavatra ambarany tokoa ve ny zava-misy ? Tsy manana fitokisana amin’ny fanjakana ny mpamatsy vola, ka sasatry ny milela-paladia etsy sy eroa ireo mpitondra Malagasy. Midangana ny vidim-piainana, mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Ny resaka kolikoly moa dia ny ao an-dapa no tompondaka, izay manaporofo ny fampandriana adrisa sy ny ronono an-tavy. Nanome tsiny ireo mpanakiana ny fitondrana sy naneho ny tsy fahavononany hihaino ny tenany fa miezaka maka ny fon’ny vahoaka amin’ny hoe hifanome tanana sy hiaraka hifanampy isika fa izay tsy vonona dia avelao izy any fa tsy namantsika ireny. Miezaka manovokovoka sy te hampiseho fa manao zavatra ao anatin’ny herintaona tsy hahatongavan’ny fifidianana izao, raha tsy hita izay vita tao anatin’ny 4 taona latsaka. Mihevitra ny Malagasy ho mbola azo hambakaina sy hatao tohatra fiakarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.