Politique

Hery Rajaonarimampianina Mitety faritra mamono afo


  • Zoma 03 Jona 2016

Hihazo an’i Toamasina ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina anio. Anisan’ny anton-diany any ny hitokana ny foiben’ny « Protection civile », isiana vondron-tafika nomena fiofanana manokana momba ny vonjy voina, indrindra amina loza voajanahary.

 

Tanàna morontsiraka rahateo i Toamasina, sady be orana no matetika tandindonin’ny rivodoza. Hihazo an’i Manakara, renivohitr’i Vatovavy Fitovinany indray izy ny ampitso sabotsy 4 jona. Hisy fitokanana fotodrafitrasa ihany koa any an-toerana, toy ny « Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM) ». Toy ny fanaony anefa, hanararaotra ireo fivoahany sy fisehoana vahoaka ireo ny filoha hanaovany setrin-teny manoloana ireo fitakiana sy fanakianana ataon’ny mpanao politika ny fitondrany. Any Manakara, dia io rahampitso io no azo lazaina ho fihaonany voalohany amin’ny vahoaka ao an-toerana taorian’ny nahavoafidy azy ho filoham-pirenena, ka nampanantenany zavatra samihafa toy ny hanamboarana ny seranan-tsambo, izay tsy mbola nisy asa natao na dia silam-pangady iray aza, roa taona sy tapany eo amin’ny fitondrana izy. Hampihazakazaka ny fampandrosoana iny faritra Atsimo Atsinanana iny anefa ny fahavitan’io seranan-tsambo io, sady hanamora ny famoaham-bokatra, indrindra ireo voly fanondrana sy harena ankibon’ny tany no hanampy amin’ny famatsiana ireo zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy solika tsy ho an’i Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ihany fa hatrao Matsiatra Ambony koa. Hanao fampanantenana vaovao amin’ny hanamboarana io seranan-tsambo io indray ve ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao diany ao an-drenivohitr’i Vatovavy Fitovinany izao ? An-taonany koa izao no nahatapaka ny tetezana ao Manakarabe, tetezana izay mampifandray ny tanàna sy foiben-toeran’ireo tranom-panjakana sy ireo banky misy ao an-toerana. Ela no niandrandran’i Manakara ny hahavitan’io.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT