Politique

Hery Rajaonarimampianina Mitady hidongy seza


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Matahotra sy mihorohoro fatratra ny tsy ho lany intsony ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ary azo antoka ny tsy hahatafaverenany amin’ny sezany intsony raha madio sy mangarahara ny fifidianana.

Tsy mety matoky tena na efa miezaka mafy mametraka ny fomba rehetra hahafaha-mandresy mora foana aza. Hampiasaina ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana hanaovana propagandy. Ezahina fehezina ny rafi-panjakana isan-tsokajiny ary tambazana ireo manampahefana eny ifotony, ka dia io nakarina io ny tambin-karaman’ny mpiasan’ny kaominina. Na eo aza izany rehetra izany, dia mipetraka hatrany ny tsy fahatokisan-tena. Lojika be io satria na ny olon’ny fitondrana aza efa misy mamoaka vava fa azo antoka ny faharesena raha mbola i Hery Rajaonarimampianina no kandida. Mandeha ny fifampiahiahiana hoe sao misy minisitra na tandapa te hisongona ny filoha, toy ny minisitra iray izay voalaza fa nampanantsoina tany an-dapa mihitsy. Hatreto dia ny fifikirana amin’ny seza amin’ny alalan’ny fampikatsoana ny fifidianana no hany hevitra azo antoka hahafahany mijanona eo, ary karazan’ny efa mizotra amin’izay isika. Toa te hanao tahaka ny ataon’i Joseph Kabila any RDC Congo amin’ny alalan’ny fampitarazohana ny tsy fanatanterahana fifidianana. Efa tany amin’ny volana septambra 2016 io filoha, no tapitra ny fe-potoam-piasany, saingy miziriziry eo hatramin’izao febroary 2018 izao. Gidragidra sy faty olona saika isan’andro ny hiainan’ny vahoaka any an-toerana. Izany ilay aty Afrika amin’ny ankapobeny. Hisafidy ny lalana tahaka izany ihany koa ve i Hery Rajaonarimampianina, sanatria ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT