Politique

Hery Rajaonarimampianina Misy mibaiko ?


  • Alarobia 25 Jona 2014

Dimy volana katroka anio no nitantanan’i Hery Rajaonarimampianina ny firenena malagasy.

26 jona voalohany ho an’ny repoblika faha 4 ny rahampitso, betsaka ihany izay fampanantenana sy fanomezan-toky natao nandritra ny fampielezan-kevitra ary nohamafisina tamin’ny 25 janoary 2014 teny Mahamasina izay. Tsaroan’Atoa filoha tsara fa babangoana ny kianja tamin’izy nanao fianianana, 5 volana lasa izay, tahaka ny manozongozona sahady ny fahamarinan’ny isam-bato azony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena iny. Tonga ity ny fetim-pirenena. Samy miandry indray ny zavatra hitranga ny rehetra eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ny tena andrasan’ny olona dia ny hoe : mitombina marina ve ilay fanasana nomena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sa mba fomba fiadin’ny mpitondra fanjakana fotsiny ihany ? Misehoseho fa mpampihavana kanefa mandeha ihany ny fingampingana isan-karazany. Milaza azy fa tia tanindrazana kanefa manaiky baikoin’ny mpanjanatany. Mamerina ombieny ombieny fa hanavotra ny Malagasy kanefa vao miha mampiditra azy anatin’ny kizo. Dimy volana izay no lasa, tsy hita izay nisongadina, kabary no betsaka, fampandriana adrisa no natao, fampanantenana poakaty no  re isan’andro, mbola misy foana ny delestazy, tsy voafehy ny asan-jiolahy, miparitaka ny fitaovam-piadiana, aodina any amin’ny « opération coup d’arrêt » ny sain’ny vahoaka, fa tsy nasiana resaka intsony ny fikarohana na fisamborana an-dRemenabila. Nahoana no mbola misy vondron’olona sahy manetsika sy manondrana ireo boaderozy efa nogiazan’ny fanjakana ?  Inona no tena antony nampihemorana ny famerenana ny fifidianana solombavambahoaka tany amin’ireo distrika 4 tokony hanao izany, hovitaina amin’ity taona ity ihany ve ny fifidianana ben’ny tanàna ? Rahoviana ? Sa halatsaka anatin’ny vanim-potoan’ny orana indray ?  Liana amin’izay mety ho kabarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao fetim-pirenena izao ny rehetra.   Efa azo sary an-tsaina ihany anefa fa kabary fotsiny io,  fampandriana adrisa, fampiesonana indray. Mibaribary loatra mantsy fa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra Atoa filoha fa mandray baiko avy any ambadibadika any.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT