Politique

Hery Rajaonarimampianina Mirifatra tsy tana intsony


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Sinema tsy misy ohatr’izany ! Nitaingina taksibrosy ingahy filoham-pirenena, nomban’ny praiminisitra sy ireo olona akaiky azy ao anaty governemanta dia i Beboarimisa Ralava,

 

 Benjamina Ramarcel Ramanantsoa sy ireo mpanolotsaina mahatoky toa an’i Rachidy Mohhamed, Jaobarison Randrianarivony ary Mbola Rajaonah. Efa nizarana sainam-pirenena ireo ankizy nasaina niandry teny amin’ny Gare routière MAKI Andohatapenaka, ka nanofahofa izany sy nihoby fatratra ny filoha sy ny ekipany nitaingina taksibory tonga hitokana ny zava-bita. Raikitra avy eo ny kabary sy ny fihetsika mievotrevotra ahafantaran’ny rehetra an’ingahy filoha. “9 volana monja dia mahavita tahaka izao isika. Maro be koa ny efa vita tao anatin’ny roa taona izay. Jereo ny lalana manodidina anareo ary mbola hanao lalambe mikodana isika mamonjy ny seranam-piaramandina Ivato. Mbola hahavita asa betsaka noho izao isika raha omenareo fotoam-piasana lavalava kokoa aho” , hoy izy. Tsy misy ahiahy intsony fa dia kandida i Hery Rajaonarimampianina amin’ny 2018 ary efa manao propagandy tsy miafina intsony fa saronana ao anatin’ny hoe miasa. Nihazo ny kaominina Saint Augustin any Toliara II avy hatrany ingahy filoha avy eo satria nitokana zava-bita hafa indray dia ny fahatongavan’ny herinaratra ao an-toerana. Tena nanala azy ny filoha tany Saint Augustin, nandihy nanaraka ny mozikan’ny tompon-tany, dia toy ireny tanora miala sakana ireny ny fahitana azy. Mirifatra ary tsy tana intsony i Hery Rajaonarimampinina amin’ny fanaovana propagandy. Raha izao fandehany izao dia tsy ho tana izy ary efa miraikitra ao an-dohany fa tsy maintsy izy no maharesy amin’ny fifidianana manaraka eo na inon-kihatra na inon-kidona.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT