Politique

Hery Rajaonarimampianina Mikiry hanova lalàmpanorenana


  • Zoma 22 Desambra 2017

Manomboka ny « kapa ranjo » mivantana ho an’ireo kandidà sasany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, amin’ny antsojay ataon’ny mpitondra ankehitriny.


 Mbola vao fifamaliana an-gazety sy ny televiziona no mitranga hatreto fa tsy fantatra izay mety ho tohiny amin’ny taona 2018. Misy andininy vitsivitsy amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra no mety hiteraka adihevitra manomboka eto, indrindra fa raha tsy misy fanitsiana ireo Lalàna hifehy ny fifidianana, toy ny andininy faha-15, izay milaza fa “Manan-jo hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana rehetra voalazan’ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena tsirairay rehefa voahaja ny fepetra takian’ny lalàna”. Nibaraibary toy ny tafika andrefan-tanàna ny zava-nisy tao amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, fa tsy nanana na dia tamingana solombavambahoaka HVM raha tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny janoary 2014. Ankehitriny, izy no milaza fa “Antoko matanjaka” ao. Mazava anefa ny voalazan’ny Andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenena fa mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra any amina vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana. Raha misy ny fandikana ny andalana etsy aloha, dia ambaran’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny sazy fanonganana.  Fa nosihosen’ity fitondrana ity ankitsirano koa ny andininy-167, izay milaza mazava fa “Ho fanajàna ny Lalàmpanorenana, ny filohan’ny Repoblika dia miantso ireo ambaratongam-pahefana mahefa mba hanolotra ireo ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo ahafahana manangana io rafitra io. Izany dia tanterahina ao anatin’ny 12 volana manaraka ny fotoana nandraisany fahefana, ka raha vao tapitra io fe-potoana io dia atsangana avy hatrany ny Fitsarana Avo. Raha misy ny tsy fahatombanana dia azon’ny rehetra atao ny mampakatra ny raharaha manoloana izay andrim-panjakana mahefa mba ny hangatahana fanasaziana. (…) ». Efa-taona nitondrana izao i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM, tsy tafajoro ny Fitsarana Avo. Hatraiza ny fanajana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra ? Mbola mety hisy ve ny fifanatonana amin’ny adihevitra sa  ho tapaka tanteraka ny kofehy mampitohy ny mpitondra ankehitriny amin’ireo antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena izay nandravona ireo tolo-kevitra vokatry ny atrikasa maro mikasika ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ny 07, 08, 09 novambra 2016 ka hitondra baolina irery ny mpitondra ? Hisy ve ny fandaminana izao disadisa politika izao mialoha ny faran’ny taona 2017 mba tsy hiitatra toy ny raharaha Antsakabary amin’ny taona 2018 ? Sa izay no mampikiry izao fitondrana izao hanao fitsapankevi-bahoaka hikitihana ny lalampanorenena ho amin’ny tombontsoany. Toy ny andininy faha-47 izay tadiavina hanaovana fifanarahana politika mba hiarovana ny filoha amperinasa, ka hahafahany miverina manohy ny fitondrany na dia nametra-pialana aza, mandram-pahavita ny fihanianan’ny filoha voafidy, raha toa ka mirotsaka hofidiana izy nefa tsy tafita ho amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Nangonin’i Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT