Politique

Hery Rajaonarimampianina Miantehitra amin’ny tafika


  • Talata 23 Janoary 2018

Nirarakopana ny fampiakarana galonana, ka omaly no notolorana faneva teny Iavoloha ireo jeneraly 56 vao avy nahazo fampiakarana galona avy amin’ny filoham-pirenena.

 

 Ny 36 dia  “général de  brigade”, ary ny 20 “général de division”. Hiatrika fifidianana ny firenena, ka ilaina ny hametraka fitoniana eto amin’ny firenena mialoha sy mandritra ary aoriana, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Nambara moa fa nanaraka ny mason-tsivana ilaina ny fampiakarana galona. Fanontaniana ny valalabemandry kosa ny hoe : ho avy angaha ny mpanani-bohitra avy any ivelany ka tsy maintsy hampitomboina ny mpitari-tafika ? Sa kosa handeha hisambotra ireo gadra nandositra efa am-bolana tsy hita izay nanjavonany na koa halefa any Frantsa hisambotra an’i Houcine Arfa ? Hihena ve izany ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy atsy ho atsy ? Ho tra-tehaka avokoa ve ny mpanondrana an-tsokosoko harem-pirenena ? Hosamborina ve ny mpanodinkodina volam-panjakana sy ny mpanao kolikoly ?  Tsia avy hatrany no valiny, raha ny sarambabem-bahoaka no hametrahana izay fanontaniana. Tsy handeha hitari-tafika hanenjika dahalo any Atsimo akory ireo na handeha hiaro ny fandrobana ny harena an-dranomasina. Mahalasa saina ihany ny fihetsiky ny mpitondra hoe inona no tena tanjona sy tiana hahatongavana amin’izao raharaha izao ? Mazava fa haparitaka amina andraikitra isan-karazany sao hisy be vinany tsy hankato izay tian’ny fanjakana HVM hatao eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Toa midika avy hatrany ny finiavan’ny fanjakana HVM hametraka fahefam-panjakana tsara aron’ny tafika.  Katsahina hatao fitaovana hiarovana ny fahefam-panjakana mihozongozona sy an-dalam-pirodanana ny mpitandro ny filaminana. Tsy manana fahatokisan-tena holaniam-bahoaka mbola hitantana an’i Madagasikara ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny ekipany. Mandeha sy mety handeha ny kajikajy rehetra toy ny famotehana ny kandida atahorana izay efa miseho hatramin’ny fandrahonana hoe hisambotra sy hanagadra, fividianana safidim-bahoaka, hala-bato na familiviliana valim-pifidianana. Tsy maintsy apetraka ihany koa ny planina faharoa sao sanatria tsy hahomby izany. Ny tafika no tadiavina hampiadiana amin’ny vahoaka hampanaiky ny mpitondra efa mahatofoka azy. Tsy adala anefa ireo ka hanaiky hobaikobaikoina lava hampiadiana amin’ny Malagasy, kanefa hiaro ny vahoaka sy ny fananany no nanirahana azy, fa tsy hiaro ny HVM sy ny sezany sanatria. Tsy maintsy hitodika any amin’ny vahoaka amin’ny ora farany na inona na inona mety ho fanambazana sy fanaovana fitaovana politika azy. Rehefa ny mpitondra fanjakana no tonga amin’izay fampiasana ny tafika ho herim-pamoretana na sanatria ho tonga any amin’ny fandatsahan-dra, dia efa hidaraboka izy izay. Hisafidy izay lalana izay izany Rajanarimampianina sy ny ekipany ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT