Tsy misy olon’ny HVM amin’ny ankapobeny ao anatin’ny governemanta vaovao.
Izay mitondra eo dia misafidy ny mpiara-miasa aminy izy ka heveriko fa zava-dehibe ny fandraisana andraikitra ary mirary ny hahavitan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Ny rehetra dia heveriko fa mifanome tanana foana amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy izy. Efa nanao velirano ny fitondrana ka ny vahoaka dia mino sy manantena fa ho tanteraka ireny. Araka ny heviny, aleo izy hiasa aloha ka dia ny mirary soa sy ny fankaherezana ho azy ireo no atao. Tonga nankahery ireo traboina sy tra-pahoriana teny Ambaninampamarinana moa ny tenany sy ireo mpikatroka maromaro ao anatin’ny antoko HVM ny faran’ny herinandro teo. Mbola betsaka ireo niara-dia tamiko no miray hevitra sy miray fo, ary mitovy fijery amiko sy mizara izany eo amin’ny fanompoam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, hoy ity filoha teo aloha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.