Tokony hametra-pialana ireo olona tsy mahazaka ny andraikiny, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny fandaharana fotoam-bita nivoaka ny faran’ny herinandro teo.
Ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny eto amin’ny firenena, toy ny firongatry ny fandikan-dalàna sesilany, no noresahiny tamin’izany, ka isan’ireny ny momba ny lozam-pîfamoivoizana namoizana anin’olona maro tato ho ato.Tsy tokony ekena intsony ny fanaovana raharaham-pihavanana amin’ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olon hoy ny filohampirenena ary baiko hentitra no efa nomeny hanaovana ny fanadihadiana sy hanafaizana ireo rehetra nandika lalàna.Ho hentitra kokoa ny fanarahamaso ireo fiara mpitatitra; namaky bantsilana ny fisian’ny kolikoly eny amin’ny fanaovana “visite technique” i Hery Rajaonarimampianina ary nampitandrina ireo rehetra na mpiasam-panjakana io, na mpitatitra tratra fa ho henjana ny sazy.Isan’ny voakiana ny mpitandro filaminana noho ny mety ho fisian’ny endrika kolikoly maro na dia eo aza ny resaka fanadioavana sy ady amin’io kolikoly io; mbola maro ireo zandary sy polisy manao PR no mitango vola fotsiny amin’ny taksibe sy ny takasibrosy ka tsy manao ny asan’izy ireo araka ny tokony ho izy.Tsara tokoa ilay fanambarana, fa asa hoe hanakory ny fampiharana azy; iza no tsy mahalala ny fisian’io kolikoly io amin’ny resaka fanamboarana taratasina fiara, ny fanaovana “permis de conduire” ny any amin’ny fitsirihana fiara fa vitsy ny tena sahy namaky bantsilana sy niady taminy.Ho hita eo indray ny aorian’izao fanambaran’ny filohampirenena izao satria efa maro loatra ny Malagasy namoy ny ainy noho ny resaka tandrevaka ataon’ny mpitatitra iza misy ireo maika hahazo vola fotsiny ka asisika tahaka ny omby ao anaty fiarabe ny olona.Fa ankilan’izay dia mila tonga saina ihany koa ny olompirenena ka rehefa hita hoe tsy mety ilay fiara dia mijanona, na mitady fiara hafa fa tsy hisisihana ihany satria hoe efa io no eon a hoe samy maika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.