Nandritra ny fihaonan-dRtoa Linda Thomas-Greenfield, Sekreteram-panjakana Amerikanina lefitra misahana ny raharaha afrikanina tamin’ny filoha
Rajaonarimampianina omaly no nifampiresahan’ny roa tonta ny toe-draharaha sy ny zava-misy eto Madagasikara. Eo amin’ny lafiny kolikoly, fahaiza-mitantana sy ny famerenana ny tany tan-dalàna, dia nisedra lalan-tsarotra i Madagasikara niatrika ireo olana ireo nefa manomboka mahita ezaka izahay, ary zava-dehibe izany, hoy i Linda Thomas-Greenfield. Tsy afaka ny hiaina amina krizy miverimberina i Madagasikara nefa manantena ny hanangana fiaraha-monina miroborobo hiantoka ny fahatoniam-piainana ho an’ny vahoakany, hoy ity tompon’andraikitra ambony Amerikanina ity. Fomba firesaka ara-diplaomatika manohy hatrany ny fanakianan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fomba fitantana ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izany. Raha ambara amin’ny fehezanteny mazava dia manao hoe : alamino aloha ny krizy, ataovy izay hifanarahanareo mba tsy hiverimberenan’izany, izay vao miresaka asa fampandrosoana, izay koa vao ho avy ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miasa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.