Nisokatra omaly talata 20 martsa tamin'ny fomba ofisialy ny andiany fahenina amin'ny seminera ifanakalozan'ny RECEF (réseau des Compétences Electorales Francophones).
35 ireo firenena mpikambana ao ary nahatratra 50 izy ireo amin`izao no nandray anjara. Filohan`ny CENI maromaro, minisitra, manampahaizana manokana amin`ny fifidianana no nasaina. Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nandritra ny lahateniny dia nilaza ny tenany fa mbola mianatra demòkrasia isika ka fihaonam-be tahak`izao no ahafantsika mivoatra ary ny hiainan'ny tanàna amin`ny tony sy ara-dalàna ary hanatsarana ny demokrasia no tiantsika. Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hanomezan-danja ny vehivavy sy ireo sokajin’olona vitsy an’isa ka hampitovy azy ireo amin’ny olona rehetra eo amin’izay tontolon’ny fifidianana izay. Ao amin'ny Hotel Colbert Antaninarenina no nanatanterahina ny fihaonana izay tsy hifarana raha tsy ny alakamisy ho avy izao. Ny RECEF sy ny CENI Madagascar ary ny OIF no mikarakara izao hetsika izao izay natao hampikambana ireo firenena miteny frantsay sy hifanakalozana traikefa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.