Politique

Hery Rajaonarimampianina Matahotra ny jeneraly Ravelonarivo


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Raha tsy afaka am-bavan’ny maro efa ho andro maromaro izay ny mety hanovana ny praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta dia toa lasa nangingina indray ankehitriny

 

 . Main’ny afo natsangany ve ny filoham-pirenena ka tsy manana vahaolana aroso amin’ny fametrahana ny praiminisitra sy governemanta vaovao ?

Maro an’isa

Raha ny toe-java-misy ankehitriny mantsy, ny nahazoan’ny antoko Hvm ny maro an’isa tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy loholona farany teo sy ny fitakiana fanovana izay mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny tranga misy toy ny nanendrena ho loholona ny minisitra roa teo anivon’ny governemanta dia fotoana izao tokony hitondrana fanovana eo anivon’izany governemanta izany, na ho fanajana ny safidin’ny maro an’isa fotsiny ihany aza dia ny fametrahana praiminisitra Hvm. Inona ary no misakana ny filoham-pirenena tsy hanao izany ? Tsy manana olona azo atao  piraiminisitra ve ny Hvm sa ny hanala ny jeneraly Ravelonarivo Jean amin’ny toerana misy azy ankehitriny no tsy sahiny ? Raha izay no marina dia inona no atahorany ? Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina vadiny izay namana akaikin’ny praiminisitra ve sa zavatra hafa ? Tsy Hvm mantsy ny Jeneraly Ravelonarivo Jean fa olon’ny antoko Arema, raha tsy niova fitàna tamin’ny ora farany.

Kandida amin’ny 2018

Tsy nambaran’ny filoham-pirenena mivantana saingy takatry ny mpanao gazety sasantsasany ilay teny nataony nandritra ny dinika nataony tamin’ny fahitalavitra farany teo momba izay olona miara-dia aminy ka manana fikasana ny hilatsaka ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Tsy mbola nanambara ny maha kandida azy ihany koa ny jeneraly Ravelonarivo Jean saingy raha ny toe-draharaha politika misy ankehitriny dia mizotra mankany amin’izany tsikelikely ny tantara. Omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, dia tamin’ny fahatokisana tanteraka no namaliany fa anjaran’ny filoha no manapaka na fanovana amin’ny ampahany na manontolo no hatao eo anivon’ny governemanta fa raha ny tenany amin’ny maha miaramila azy dia vonona hiatrika ny zava-misy foana. Ny herinandro lasa teo raha nofoanana tampoka ny fihaonan’ny praiminisitra sy ireo tompon’ny orinasan-gazety dia efa nandeha be ny resaka fa baiko avy any Iavoloha no antony nanafoanana ny fihaonana tamin’ny ora farany. Araka ny fantatra dia hotontosaina rahampitso zoma io fihaonana io. Azo adika ve izany fa milamina indray ny fifandraisana eo amin’i Iavoloha sy Mahazoarivo izay noheverin’ny maro teo aloha fa somary narisarisa ?

Légende:Sarotra ny manala ny jeneraly Ravelonarivo amin’ny toerany  (Tahirin-tsary)

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT