Politique

Hery Rajaonarimampianina - Marc Ravalomanana Nampitovy tadin-dokanga tao Johannesbourg


  • Alatsinainy 26 Mey 2014

Nisy ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Johannesbourg tamin’ny sabotsy 24 mey lasa teo.

 Nanamafy izany ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tsy nanome antsipirihany ny votoatin’ny fihaonana ny fampitam-baovao voaray, afa-tsy ny hoe Atoa Marc Ravalomanana no nangataka ny fihaonana, ny sabotsy fiafaran’ny tolakandro, taorian’ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ireo teratany Malagasy any Afrika Atsimo tao amin’ny mavoivoho Malagasy any an-toerana. Azo antoka fa voaresaky ny roa tonta ny amin’ny fandaminana ny fodian’i Dada an-tanindrazana. Miankina amin’ny roa tonta rahateo ny fahatanterahan’izany. Ambetin-tenin’ny filohan’ny Repoblika rahateo ny fihavanam-pirenena. Inoana fa tsy ho kabary fotsiny izany fa hotanterahiny, satria antoky ny fitoniana ara-politika ary fototry ny fampandrosoana heveriny hotanterahina. Atoa Marc Ravalomanana moa etsy an-daniny mankato ny fijoroan’izao fitondrana izao, manohana ary samy mitsinjo ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka 22 tapitrisa. Heverina, araka izany, fa fampitoviana tadin-dokanga no nataon’ny roa tonta tamin’ity fihaonana ity. Fihaonana izay heverina fa mahavelom-bolo ny zanak’i Dada sy mampitombo ny finoany sy ny fanantenany hifanatri-tava tsy ho ela amin’Atoa Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ny 26 jona. Maninona moa !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT