Mazava ny tanjon’ny filoham-pirenena ankehitriny fa hitady izay fomba rehetra hitazonana ny fahefana eo am-pelatanany.
Ny hamolavola sy hanomana izay paikadiny izay no mahamaika ny filoha fa tsy izay fahasahiranam-bahoaka. Raha ny pesta izao, dia aty amin’ny faha-3 volana nisiany vao mody nihetsika sy namendrofendro tetsy sy teroa, ary toa mampandry adrisa fotsiny amin’ny hoe ampy hiatrehana ny pesta ny tahirim-panafody. Efa 48 izao no maty izay ny filoha vao nihetsika tamin’ny fitsidihana kely tetsy sy teroa omaly. Ny tena marina anefa, dia mba mamono afo kely aloha manoloana ny zava-misy. Andeha hisidina any ampitan-dranomasina any Rome Italia indray ny tenany manomboka ny 15-18 oktobra, ka mba mody manao fihetsika ivelany aloha hialana amin’ny hoe tsy miraharaha ny Malagasy, kanefa dia izay mihitsy no miseho. Mikofokofoka mihitsy mitady ranondranony amin’ireo mpila ravinahitra Malagasy any ivelany hanohana sy hanampy ny tenany. Ny mahamaika dia ny hanova lalàmpanorenana, ka tonga hatrany amin’ny hanambazana fiara tsy mataho-dalana ny solombavambahoaka hanaiky mora izany ny resaka. Inona no mahamaika amin’izao ? Ny fanovana ny lalàmpanorenana sa ny pesta ? Toa efa mandavaka lavaka hilevenana ny fanjakana Rajaonarimampianina satria ankoatra ny tsy fahombiazana dia mbola mahavita mihantsy ady sy mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka hatrany. Tsy mahay maka lesona tamin’ny tantara ka mampiasa ny fahefana eo am-pelatanana amin’izay tiana hanaovana azy. Mihevitra ve ny fanjakana fa hanaiky mora foana ny antsojay ireo herivelona isan-tsokajiny foretiny ankehitriny rehefa tonga tokoa ny tokoa ? Rehefa feno ny kapoaka mitobaka ihany, fa izao aloha mbola mijery ny fitsoaky ny rivotra sy ny hametrahany ny tongony ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.