Valim-pitia fitia, ary ny tena namana tsy mba manary amin’ny andro sarotra. Nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tazan-davitra ny mponin’Ambatolava, fokontanin’Imandro
, kaominina Mangidy, distrikan’Ikalamavony nanoloana ny fahoriana tsy roa aman-tany nihatra taminy vokatry ny hain-trano namoizana ain’olona niisa 39 ny harivan’ny sabotsy 23 jolay 2016. Satria ve efa tsy tany Ankazoabo nisian’ny fatiolona maro vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, fiarabe mpitondra mpandeha teo amin’ny sampanan’i Berenty tamin’ny 21 jona 2016, dia sao miangatra raha ho tany Ikalamavony, dia naleo naniraka ny solontenam-panjakana avy ao Matsiatra Ambony, avy eo naniraka ny BNGRC nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana niharam-boina ? Mandry amin’izany ve ny sain’ny mpitondra, ilay noheverina fa raiamandreny ? Vary 1,5 taonina miampy lamba sy kojajonan-dakozia maromaro mifanaraka amin’ny isan'ireo tokantrano niharam-boina no nalefa tany an-toerana. Amin’ny Betsileo dia zava-dehibe sy manan-danja ny fijoroana mivantana, indrindra amina fahoriana fa marika ihany ny fanomezana. Amin’izay koa toa mbola amin’ny sabotsy any vao hozaraina. Mampiahiahy ny mpitazana ity fampihemorana ny fizarana ny fanampiana ity, fa toa mamofompofona fanararaotana politika. Ny fianakaviana isanisany koa moa dia samy nitondra ny nofomangatsiakan’ny havany avy nanao ny fandevenana. Faritra anisan’ny nanome vato ka nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina i Matsiatra Ambony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, ka nihevitra fa mba akaiky kokoa ny fon’ny filoha ny mponina tany an-toerana saingy tsy izay aloha no miseho ! Ny tsapan’ny Vahoaka amin’iny Distrika iny, dia mihalany tamingana vokatry ny asan-dahalo ny ombin'Ikalamavony tato anatin’ny roa taona izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.