Fotodrafitrasa karazany 6 no notokanan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Maevatanàna omaly alatsinainy, teo aloha ny tetezan’Antsakoamamy amin’ny lalam-pirenena faha-4, 7 km tsy idirana an’i Maevatanàna.
Notokanana ihany koa ny biraon’ny kaominina, ny toeram-piasan’ny OPCI Volamena ary ny birao vaovaon’ny minisiteran’ny vola sy ny rano. Nanambara nandritra izao dian’ny tany Betsiboka izao ny filoha fa zava-dehibe loatra amin’ny fifandraisana sy ny fifaneraserana ny tetezana ary tokony hanaja ny toromarika sy fepetra amin’ny lanja farany zakany ny rehetra. Nijery ifotony ny famaranana ny asa fanarenana ny tetezan’i Betsiboka ihany koa ny filoha nandritra izao diany izao. Momba ny delestazy lavareny sy ny olana amin’ny resaka famatsian-drano any Maevatanàna kosa dia nanome toky ny filoha Rajaonarimampianina fa efa voavaha ny olana. Misy ny milina mpamokatra herinaratra vaovao hampiasaina ary efa manana ny masoivohony any an-toerana ihany koa ny minisiteran’ny rano handinika sy hamaha ny olana rehetra. Ny delestazy ao Maevatanàna no mety hivaha fa nodian’ny filoham-pirenena fanina tanteraka ilay fanomezan-toky nataony nandritra ny fampielezan-kevitra hoe : foana ao anatin’ny enim-bolana ny delestazy eto Madagasikara. Teo anilan’ny filoha nandritra izao diany izao ny minisi-panjakana misahana ny fanajariana ny tany sy ny fotodrafitrasa ary ny kojakoja, sady filoha nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao sy minisitra 4 hafa, nanaitra kosa anefa ny tsy nandehanan’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka tany an-toerana. Maro no manomboka mahatsikaritra fa tena mifanitsaka tanteraka ny asa sahanin’ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny fotodrafitrasa, ary raha izao no mitohy dia azo antoka fa hiteraka lonilony sy hampifandrafy mihitsy an’Atoa anisan’ny Roland Ratsiraka sy Rivo Rakotovao ity resaka manjavozavo ity. Fa etsy an-kilan’izay dia maro no mahita fa manomboka manao propagandy sahady, amin’ny alalan’ny fitokanana zava-bita manerana ny nosy ny filoham-pirenena satria mazava izao fa tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly, ka mampiasa ny paikady rehetra hahazoana ny toerana maro, indrindra ny antoko eo amin’ny fitondrana, dia ny HVM izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.