Tsy nanadino ireo mpino Silamo fa dia nanampy azy ireo ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny fanomezana vary, menaka, ronono ary lafarinina. Faritra vitsivitsy teto an-drenivohitra dia i 67ha atsimo, 67ha avaratra andrefana, Lalamby, Ambalavao Isotry, Ivato ary Ambolokandrina no nahazo izany fanampiana izany
Nisolotena ny filoham-pirenena ka nanolotra ireto entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireto teny amin’ny foiben’ny fikambanan’ny mpino Silamo Malagasy ny mpanolotsaina manokana azy, Mohamed Rachidy sy ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Jacques Ulrich. Tsiahivina ihany fa fanampiana natokana ho amin’ny Iftar na ilay fiaraha-misakafo aorian’ny filentehan’ny masoandro isan-kariva izy ity. Hifarana afaka 10 andro moa ny Ramadan ho an’ny mpino Silamo. Mibaribary be fa ao anatin’izao sangodim-panina politika tsy misy fiafarana izao dia manao pi-maso any amin’ny mpino Silamo izay efa manomboka mitombo isa eto amintsika i Hery Rajaonarimampianina, izay efa nilaza tany Antsiranana vao tsy ela akory izay fa Malagasy tahaka ny malagasy rehetra ny mpino Silamo ary mendrika omen-kaja amin’izao vanim-potoanan’ny Ramadan izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.