Ahitana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina avokoa ankehitriny ireo hetsika samihafa eto amin’ny firenena.
Miezaka hatrany ohatra ny filohan’ny Repoblika tao anatin’ny fotoana vitsy izao manenjika ireo fandaharam-potoan-dehibe eny anivon’ireo fiangonana samihafa manerana an’i Madagasikara. Tsy ataony ambanin-javatra ihany koa anefa ny fampitomboana ny fizaran-javatra sy mitokana zava-bita toy ny nitranga ny alakamisy 31 aogositra 2017 teo. Tonga nitokana ny fotodrafitrava vaovaon’ny sampandraharahan’ny Tahirimbolam-panjakana any amin’ny distrikan’i Beroroha moa ny tenany tamin’io andro io. Mitentina 200 tapitrisa Ariary ny fananganana ity trano vaovao ho fitsinjovana ny mponina any an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana miisa 225 sy mpiasam-bahoaka misotro ronono 108. Tsikaritra manokana mandritra ny lahatenin’ny filoha am-perinasa hatrany ny fanaovana propagandy sahady mialoha ny fotoana. Mampisongadina ny fitondrana tarihany hatrany moa ny mpitarika ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny lanonana ofisialy isan-karazany atrehiny. Fandaniam-bola hireharehan’ny fanjakana izay fandraisana anjara mivantana avy amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny karazan-ketra aloa takiana aminy. Baraingo anefa hatreto ny tamberin’andraikitra toy ny firongatry ny asan-dahalo ao Beroroha.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.