Misavoritaka sy mafana ny toe-draharaha ao an-dapan’Iavoloha ao, raha ny vaovao voaray avy amin’ireo tandapa ao an-toerana.
Ny raharaha momba ny fanoloana ny praiminisitra sy ny fametrahana ny governemanta vaovao efa tena manahirana ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Nandritra ny diany farany nitsidika ny orinasa Fanalamanga tamin’ny 20 febroary tany ho any no nilazan’ny filoha fa hataony izany fanovana governemanta izany amin’ny fotoana mahamety azy kanefa hatramin’izao dia ny eo ihany no eo.
Fianakaviana tsy milamina ?
Ankoatra izay, miparitaka be tato ho ato ny resaka fa manomboka tsy mifankahazo ihany koa ny zanaky ny filoha lahy tamin’ny vadiny voalohany, izay voatonontonona tamin’ny raharaha karieran’Anjozorobe sy Rtoa vadiny ankehitriny Voahangy Rajaonarimampianina. Ity vadin’ny filoham-pirenena ity ihany koa dia tena voatonona amin’ny tranga sy raharaha maro ary raha ny vaovao farany aza dia nandrenesana fa miha mangatsiaka mihitsy ny fifandraisan’Atoa filoha sy ny ramatoa vadiny. Maro ny mpanao gazety efa manadihady lalina momba izany ankehitriny mba hikarohana ny tena marina sy hahafantarana hoe fa inona marina moa no tena andraikitr’i Voahangy Rajaonarimampianina fa toa manana ekipa mpiara-miasa matanjaka izy sady matetika mivoaka any ivelany ? Ary inona koa no fototry ny olana eo aminy sy Matthieu Rajaonarimampianina ? Nanazava ny zava-misy fa niaro an-janany tamin’ny raharaha Anjozorobe ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Andrasan’ny rehetra kosa ny mety ho fihetsiny sy ho teniny momba ny resabe mandeha mahakasika an-dRamatoa vadiny tato ho ato izay. Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha ary ny vy tsy mikitrana irery, hoy ny Malagasy. Tsy misy olona handany andro hamorona eto fa misy antony matoa misy resaka mivoaka. Adidin’ny mpitondra amin’ny firenena demokratika ny mampahafantatra mazava ny zava-misy momba ny fahasalamany sy ny zavatra ataon’ny fianakaviany marina mba ialana amin’ny honohono. Ny filoha Frantsay François Hollande izao dia nitsotra fa manana sakaiza mpilalao sarimihetsika, ka asa izay ho fahatsoram-pon’ny filoha Malagasy. Ny tena zava-doza mampanahy ny maro mantsy dia sao lahy, sanatria ka ny olana ara-pianakaviana no hanembantsembana ny asan’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny maha filoham-pirenena azy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.