Politique

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby ny tafika


  • Talata 29 Aogositra 2017

Nanolotra fanamiana miisa 2.000 ho an’ny Tafika Malagasy tetsy amin'ny CEMES Soanierana omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

 

 Nandritra ny fihaonana dia nampahatsiahy hatrany ny filoha sady filoha faratampon’ny Foloalindahy fa mila manao arak’izay tratrany ny miaramila rehetra mba hiarovana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, izay antoka hisian’ny fandriampahalemana mitarika any amin’ny fampandrosoana sy loharanon’ny firindran’ny fiarahamonina. Taorian'ny lanonana sarin'ady teny Tampoketsa moa dia maro ireo fanatsaran'asa napetraky ny Tafika mba hametrahana bebe kokoa ny tena fandriampahalemana. Nambaran’ny minisitry ny tafika sy ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Beni Xavier fa mivondrona sy miray hina ny tafika mba hampanaraka ny toetr’andro ny toromarika sy ny paikady hiarovana ny firenena sy ny vahoaka. Manao ranolava ny fanambazana sy ny pi-maso ataon’ny filoha amin’ny Tafika. Inona no tena tanjony ? Tena fitsinjovana ny tafika amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve sa fiarovana ny HVM sy ny sezany ? Tsy takona afenina ny tsy fahombiazan’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny, ary manaporofo izany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Ny hita aloha dia lasa fitaovana politika tanteraka ny tafika, ka any amin’ny asa famoretana izay manelingelina ny fitondrana HVM no tena tarigetra. Resaka mivoaka amin’izao fotoana izao ihany koa ny fikononkonana amin’ny fibodoana fahefana aorian’ny fifidianana 2018, ka ny tafika no hatao fitaovana hiarovana ny HVM, izay efa tsikaritra fa haloan’ny vahoaka ankitsirano, raha tena mandeha ara-drariny sy ara-dalàna ary mangarahara ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT