Politique

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby ny FLM ihany koa


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Notontosaina tany amin’ny Toby Farihimena any Antsirabe ny faran’ny herinandro teo ny asam-pifohazana lehibe.

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-71 taona nitsanganan’ity Toby lehibe eo ambany fiahian’ny fiangonana Loteranina Malagasy izany. Ny pasitora Daniel Rakotozafy no nanorina azy ny taona 1946. Nisy ny fanokanana mpiandry miisa 145 nandritra izany. Nivoitra tamin’ny lahateny nataon’ny pastora Dr Davida Rakotonirina nandritra izany ny hoe “Tsy misy fanantenan’ny olona afa-tsy ao amin’ny jesosy”. Niatrika izany tany an-toerana Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ka nambarany fa mijoro foana ny filoha raha mbola azo atao, ary tonga foana raha mbola manana ny fotoana amin’ireo toby rehetra azo aleha. « Fa aiza moa ny ankohonana tsy ao amin’ny fiangonana va ? », hoy izy. Eo anoloan’ny fahatran’ny firenena, mijoroa isika hiady amin’ny kolikoly, hoy hatrany I Hery Rajaonarimampianina, izay toa hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny hatao, raha dinihina amin’ny fomba fitantanan’ny HVM ny fanjakana. Tsy tambo isaina ireo resaka kolikoly mahasaringotra sy mahavoatonona ireo olona manodidina azy, saingy hiniany tsy jerena sy tsy resahina. Nandritra io fotoana io no nanolorany vola 10 tapitrisa sy “motos” 2, ary nampanantenany fa hamboarina ny làlana makany amin’ny toby Farihimena. Toa zary fomba fanaon’ny filoham-pirenena ny mizarazara vola sy maka ny fon’ny fiangonana tato ho ato satria tsy vao izao ity fanomezana vola 10 tapitrisa ariary ity, fa isak’izay mandeha, raha tsy hilaza afatsy ny natao tany amin’ny toby Ankaramalaza. Akaiky tokoa ny fifidianana, ka miezaka sy toa mikendry ny hanao fitaovana politika ny fiangonana amin’ny alalan’ny fizaram-bola na mody atao an-kolaka aza, fa hoenti-manamafy ny asa fitoriana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT