Politique

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby ny FJKM


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Mila mijoro ny lehilahy kristianina ary ny lohalaharana dia ny fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

raha nandray fitenenana nandritra ny fotoam-pivavahana lehibe famaranana ny Fihaonamben’ny SLK (Sampana Lehilahy Kristianina) eo anivon’ny FJKM tao amin’ny fitandremana Ziona Vaovao Mahajanga.  Fihaonambe andiany faha-10 moa izy ity ary natao ny talata 8 hatramin’ny alahady 13 aogositra teo. Maherin’ny 8.000 ireo solontena avy amin’ireo synodam-paritany FJKM miisa 38 manerana an’i Madagasikara no tonga nandray anjara. Tsy tokony  ho menatra ny lehilahy mahery amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, hoy hatrany ny filoham-pirenena, ary tsy afa-misaraka ny maha filoham-pirenena sy ny maha kristianina. Manana anjara lehibe ary mpisehatra eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny kristianina ka tokony hijoro handresy amin’ny ady rehetra atao ary tsy sehatra hifampitsikerana ny fiangonana. Handray anjara feno amin’ny famitana ny ivontoerana FJKM izay hatao any Foulpointe izy ary nanolotra vola 4 tapitrisa ariary an’ny  vondron’ny SLK. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo olom-panjakana ambony notarihin’ny Prefen’i Mahajanga  sy ny Lehiben’ny faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar, notronin’ireo mpizaika SLK manerana ny faritany enina notarihin’ny filoha nasionaly sy ny tonia nasionalin’ny SLK. Hita ho manao pi-maso amin’ny SLK manokana sy ny Fjkm amin’ny ankapobeny ny filoham-pirenena tato ho ato amin’ny alalan’ny fanampiana ny Fiangonana sy ireo sampana, izy tenany rahateo moa dia olona nokolokoloin’ny Fjkm ary mahafantatra tsara ny tanjaky ny Fiangonana eo amin’ny sehatry ny firenena.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT