Politique

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby ireo mpiasam-panjakana ambony


  • Zoma 17 Jona 2016

« Saropady ny fampiasana ny volam-bahoaka ka mila fitandremana fatratra izany…ampahany be dia be amin’ny vola ao amin’ny kitampom-bolam-panjakana no lany amin’ny karama, fisotroan-drononon’ny mpiasa-panjakana ary ny fampandehanan-draharaha.

 

 Vola avy amin’ny herimpom-bahoaka izany koa anjarantsika ny mamaly babena amin’ny asantsika ary maneho ny tamberin’andraikitra ». Izany no fanambarana nataoan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nihaona sy nitafatafa tamin’ireo mpianatry ny ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) teny Androhibe izy omaly. Sambany no nisy filoham-pirenena nitsidika ity ivontoeram-panofanan’ireo mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara ity. Azo antoka kosa anefa fa misy kajy politika ao ambadik’izao fihetsiky ny filoha izao, izay karazana fanaovana pi-maso sy fanambatambazana ny mpiasam-panjakana ihany raha ny fandinihana azy. Ny fahaizana amam-pahalalana tovozintsika eo amin’ny fiofanana ato amin’ny ENAM, hoy ny filoha Rajaonarimampianina, dia mila ampifamenoana amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka sy ny fiandrandrana fandrosoana eo aminy ka ilaina ny fananana vina mahafaobe raha te hampandroso marina ny Firenena satria mifaringom-paka daholo izay mahakasika ny fampandrosoana. Tsy maintsy ialana ny fanaovana ny lalan-dririnina raha toa isika te hitondra fihavaozana marina. Ohatra iray amin’izany ny tsy maintsy hizorana, ary efa atao izany, amin’ny famatsiana angovo avy amin’ny loharano voajanahary toa ny masoandro, ny rivotra, ny renirano izay efa teo hatramin’ny naha tany ny tany kanefa tsy nitodihantsika mihitsy.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT