Politique

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,

 

 nampanantena fanorenana fotodrafitrasa tahaka ny fanaony. Nijery ny tsena ary nihaona tamin’ireo olobe tao amin’ny lapa ihany koa. Fanta-daza maneran-tany amin’ny fahaizany manao asa tanana amin’ny alalan’ny voamboana ny mponina Zafimaniry. Nampidirina ho vakoka iraisam-pirenena sy haren’ny zanak’olombelona ny taona 2003 ny ala Zafimaniry izay tsy misy afa tsy 800 Ha amin’izao fotoana raha toa ka nanodidina ny 8000 Ha izany 45 taona lasa izay. Iray sokajy amin’ny Andramena (bois de rose) sy ny hazo mainty (bois d’ébène) ny voamboana (palissandre) ary araka ny fanangonam-baovao natao teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana dia hazo tsy azo ahetsika na afindrafindra na inona na inona mety ho antony. Mafy ny voamboana ary sarotra inoana hoe hiongotra ho azy na dia misy rivodoza aza. Mandeha ny resaka fa misy miketriketrika fitrandrahana io ala Zafimaniry io, izay azo antoka fa hahazoana vola be tokoa. Efa misimisy ihany izay olona nanondrana manodidina ny filoham-pirenena izay. Koa mampiahiahy noho izany ity fitsidihana tampoka tao anaty orana tany amin’ny faritra Zafimaniry ity. Sao lahy misy mampijabaka indray i Hery Rajaonarimampianina ka handeha hikitikitika ny ala Zafimaniry any atsimo mba hahazoam-bola, rehefa mamay be ka tsy voatrandraka intsony ny andramena any avaratra atsinanana sy any amin’ny faritra SAVA. Efa iaraha-mahalala fa sahirana ara-bola ny fitondrana HVM sady tsy mahazo famatsiam-bola matevina avy any ivelany, ka mety hiroboka amin’izay zavatra hita fa mety ho voa haingana.

J.Mirija  sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT