Nateti-pivoaka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ity taona 2017 hivalona afaka dimy andro ity.
Rariny izany hoy ny manodidina azy, satria filoha am-perinasa mitarika ny vondrona Frankôfônia izy, toy izany koa ny vondrom-pifanakalozana COMESA. In-16 tany ivelany ny filoha Rajaonarimampianina, izany hoe nihoatra ny in-dray mandeha isam-bolana ny diany tany ivelany. In’efatra isaky ny telo volana. Namonjena fivoriana mahazatra, toy ny an’ny Firenena Mikambana, Vondrona Afrikana, Franôfônia... ny fivoahana sasany, ny hafa valin’ny fanasana nanatontosana fitsidiham-panjakana, toy ny tany Alemaina, Chine, Italia, Japon... Fa nisy koa ny dia manokana, tsy mba nahazoana akony sy tatitra ho an’ny vahoaka. Herinandro teo ny faharetan’ny dian’ny filoha tamin’ny ankapobeny isaky ny miainga, izany hoe manodidina ny 100 andro tany ivelany tany ny filoha Rajaonarimampianina. Laniny tany ny ampahatelon’ny fotoanany tamin’ity 2017 ity ary olona an-jatony no niaraka taminy tao anatin’izany diany rehetra izany. Vola ana miliara Ariary no fandaniana naterany, izay ny vahoaka Malagasy no mibaby azy. Inona no vokatra nentin’ny dia rehetra natao tany ivelany tany izay hataka no betsaka ? Fa raha ny zava-misy eto an-toerana, dia tsy mitsaha-mitotongana ny vola malagasy Ariary, tsy mitsaha-miakatra ny vidin-tsolika, ary dia manaraka izay koa ny vidim-piainana. Tsy mbola nisy teto amin’ity firenena ity ny vidim-bary 1200 Ariary ny iray kapoakan’ny fotsimbary, 700-800Ar teto an-drenivohitra, raha tsy tamin’izao fitondrana izao. Dia mbola hisy mpitondra hibitaka sy hirehareha ve manoloana izany fa nikatsaka izay hahasoa ny Malagasy no nivoahana im-polo kely tany ivelany tany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.