Politique

Hery Rajaonarimampianina Hiverina hanao politika amin’izay


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Nanao kabary fohy nandefasany hafa sy niarahabany ny vahoaka Malagasy noho izao taona vaovao 2020 izao omaly 1 janoary ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay mbola

 

 

any am-pitan-dranomasina moa.Anisan’ny hevi-dehibe nisongadina nandritra izany ny fanambarany fa hanohy ny fandraisana andaikitra efa nataony izy ka hanatanteraka karazana fakan-kevitra, eto Madagasikara handraisan’ny Malagasy anjara ka tanjona amin’izany ny hamoahana vahaolana ilaina sy andrasan’ny Malagasy mba hanatsarana ny fiainany sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.Nisaotra an’Andriamanitra I Hery Rajaonarimampianina noho ny nahafahana niaina ny taona 2019, na dia teo aza ny fahasahiranana sy ny fitsapana.Andriamanitra nno antom-pisian’izao rehetra izao ary izy irery no mpanapaka amin’ny zava-drehetra, hoy izy.Nankahery ireo rehetra niharan’ny loza voajanahary ka mety naoy fianakaviana, na naratra, na very fananana sy traboina ity filoha teo aloha ity.Nankahery ihany koa ireo niharan’ny herisetra, teritery, tsindrio fa lavo, kely tsy mba mamindro ary atody miady amam-bato izy; azo antoka fa miantefa amin’ireo olon’ny fitondrana HVM  voaenjika sy voasambotra ary migadra izany.Faniriana hoy i Hery Rajaonarimampianina ny hisian’ny fisandratan’ny toe-tsaina feno fahendrena sy fahavononana handray andraikitra amin’izao taona vaovao izao.Farany kanefa tsy bitika dia nambarany fa mitondra am-bavaka ny vahoaka Malagasy, ny firenena Malagasy sy ireo mpitondra isan-tsookajiny mba omen’Andriamanitra fahendrena sy famindram-po izy. Karazana fanambarana ofisialy amin’ny fiverenany eo amin’ny sehatra politika arak’izany ity kabary firarian-tsoa ity satria nangiana tanteraka nandritra iny taona 2019 iny, taorian’ny fifidianana ity filoha teo aloha ity, fa ankehitriny kosa izany dia hanomboka hiasa amin’ny fikaroham-bahaolana hanampiana ny Malagasy ny tenany, raha ny filazany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT