Hihazo an’i Mananara Avaratra ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina anio, raha ny vaovao re omaly. Re ihany koa fa handeha fiaramanidina manokana ny tenany amin’izany, ary handalo any Sainte Marie amin’ny alalan’ny angidim-by avy eo.
Tsy nisy aloha ny fampitam-baovao ofisialy momba ny diany, saingy re kosa fa hitokana EPP no tena anton-diany. Manaporofo ny firobarobana sy ny filibana, ary mampametra-panontaniana hoe EPP ve no hotokanana, dia tsy maintsy ny filoham-pirenena no mankany ary manofa fiaramanidina manokana mihitsy? Tanjona ny hiseho vahoaka sy hirehareha ho mahavita zavatra. Akaiky tokoa ny fifidianana, ka raha vao mahita hirika kely hisehosehoana dia tsy mahatan-damba ny filohantsika. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny, hoy ny fitenenana, saingy tsy miasa saina amin’izany ny mpitondra ankehitriny fa ny zava-dehibe dia ny hoe mila mirehareha sy manao propagandy rehefa misy zava-bita na dia tsy dia manao ahoana aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.