Manodidina ny 2600Ar ny sandan’ny 1 Euro ny taona 2014 nandraisan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fitantanana ny firenena, ary tafakatra 4000 Ar izany aty amin’ny 4 taona aty aoriana. Mpahay toekarena sy manam-pahaizana ambony momba izany ny filoha ankehitriny, saingy toa maneso azy izany ankehitriny. Ny filoha ve izany no tsy mahay sa inona no antony tena mampitotongana ny toekarena?
Tsy vitan’olon-tokana ny fitantanana ny firenena, ary hery lehibe ho an’ny filoha ireo manodidina azy. Rehefa ireo no malemy na mohaka na tsy misaina afatsy ny aferany, dia eo no mitsotsorika ny firenena. Ny filoham-pirenena hatrany kosa amin’ny ankapobeny no iandronan’ny rihitra, saingy na izany na tsy izany dia hadisoan’ny filoha ny tsy fahafehezany na tsy fahaizany misafidy ireo mpiara-miasa aminy. Mety mba manana ny vina sy ny tanjona noheveriny ihany ny filoha, saingy tsy afa-manoatra. Tsiahivina rahateo, fa maro ireo namatsy vola azy tamin’ny fifidianana na vahiny na Malagasy, ka toa voafehy sy namaly babena angamba aloha, ary izao vao mody mikofokofoka satria akaiky ny fifidianana. Hatraiza no mety ho mbola fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara eto Madagasikara raha mbola ny HVM no ho eo? Sa dia hoboriboriana fotsiny amin’ny hoe lanja miakatra ny fiainana? Tsy te hahalala izay fanazavan’ny mpitondra ny vahoaka hoe nandalo krizy isika, mbola manarina,… fa ny fahefa-mividiny sy ny any am-bilaniny no hitsarany azy hoe tany amin’ny 9 na 10 taona lasa dia nilamina sy niaina kokoa. Matoa tonga eo dia hitondra vahaolana, fa tsy vao mainka handetika ny firenena, ka ny afera maloto sy ny kolikoly no misongadina. Zary reharehan’ny mpitondra tamin’ny tetezamita ny hoe: tsy nisy fanampiana avy any ivelany, kanefa nampiodina ny raharaham-pirenena tao anatin’izany, kanefa ny fanjakana ara-dalàna aza ity tsy misy hafitsoka. Isan’ny nitondra tao i Hery Rajaonarimampianina tamin’izany fotoana izany. Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa ny tahirim-bola tao amin’ny banky foiben’I Madagasikara, ohatra, dia manodidina ny 2 miliara dolara, ny volabe 100 tapitrisa ariary azo tamin’ny orinasa Wisco nitrandraka vy tany Soalala, ny vidin’ny fiaramanidina Force One manodidina ny 60 tapitrisa dolara,… Tsy ampy ny 10%n’ireo volabe ireo, dia hahavitana manontolo ireny hopitaly manara-penitra sy zavatra nireharehan’ny tetezamita ireny. Lany ihany ny paiso an-kady satria nanam-pahataperana ny volabe nilibana, ka na ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza taty amin’ny fotoana faramparan’ny tetezamita, saika tsy voaloha intsony. Voatery nanipy baolina i Andry Rajoelina satria ny tsindry avy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ihany koa mafy dia mafy. Nodokafana mafy ho nahay sy tena afaka ny hanavotra ny firenena ny Minisitry ny vola tamin’ny tetezamita, Hery Rajaonarimampianina rehefa nirotsaka ho filoha satria nambara fa na tao anatin’ny tsy fisian’ny famatsiam-bola aza, dia voafehiny ny resaka toekarem-pirenena. Izao anefa ny vokany!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.