Politique

Hery Rajaonarimampianina Hatao veloma amin’ny 5 janoary


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Hotanterahina ny zoma 5 janoary 2018 ny Asaramanitra na lanonana fifampiarahabana fanaon’ny andrimpanjakana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara isaky ny fiandohan’ny taona. Manodidina ny 1200 any ny vahiny nasaina amin’io,

ary anisan’izany ireo filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ary koa ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Ho avy ve izy ireo ? Ity farany aloha tsy mba tazana amin’ny fihaonana toy io, raha toa ka tonga manoina ny fanasana hatrany iretsy roa voalohany. Fa mety hiavaka ny lanonana amin’ity indray mitoraka ity, satria dia mety ho io no Asaramanitra farany hatrehina sy hotarihin’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, raha toa ka hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana izay hotanterahina amin’io 2018 io ny tenany. Mazava rahateo ny voalazan’ny andininy faha-46, andalana faharoa, amin’ny lalàmpanorenana, fa dia mametra-pialana roa volana mialoha ny androm-pifidianana. Amin’io ihany koa no Asaramanitra voalohany handraisan’i Rivo Rakotovao fitenenana amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona azy. Hanana endrika fanaovam-beloma ve izany ireo andian-kabary ifandimbiasana amin’io 5 janoary io ? Raha ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena na amin’ny antso an-telefaonina re amin’ny radio, hita amin’ny fesiboky sy any anaty fiara fitateram-bahoaka na havoriana rehetra eny, dia efa te hamarana avy hatrany izao fitondrana tarihin’ny filoha ankehitriny izao, tsy hitaran’izao fahantrana lalina sy fahapotehan’ny firenena izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT