Politique

Hery Rajaonarimampianina Hangata-bola amin’ny Sinoa indray


  • Talata 31 Mey 2016

Tampina ny daomy ! Tsy misy azo antenaina ny famatsiam-bola avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra koa dia miezaka ny mitady lalam-bola hafa, indrindra fa any Azia ny fitondrana HVM.

 

 Re izao fa taorian’ny dia tany Singapour dia mieritreritra ny hiondrana any Macao-Chine indray amin’ny fiandohan’ny volana jona ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Hanamboatra « Autoroute » 

Ny 04 jona no daty re fa handehanan’ny filoha sy ny delegasionina tarihany any Macao, tanàna iray fantatra amin’ny loka sy ny filalaovana ary nahazo ny solon’anarana mihitsy moa hoe Las Vegas any Azia. Tanànan’ny afera ihany koa anefa i Macao ary ambohipihaonan’ireo mpanao bizna goavana rehetra maneran-tany. Ny antony dia satria tsy dia be mpahita fa azo alamina sy atao an-kiafinafina ny fihaonana sy ny resaka ifanaovana. An-kilan’izay anefa dia mahoraka koa fa misimisy ihany ny famotsiam-bola na fanadiovana vola maloto any an-toerana. Tsy dia mahagaga moa fa efa izany matetika no hita amina toeram-pilalaovana sy filokana tahaka an’i Macao. Re araka ny angom-baovao natao fa hihaona amin’ny tompon’andraikitry ny orinasa Sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) ny filoham-pirenena Malagasy ary tanjona ny hanasoniavana fiaraha-miasa. Miasa amin’ny resaka fanamboaran-dalana (Autoroute) sy tetezana ary tonelina no tena hahafantarana ny CRBC izay orinasa eo ambany fiahian’ny China Communications Construction Company (CCCC). Vatsian’ny governemanta Sinoa vola ity orinasa goavana ity ary efa nahazo tsena marobe aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.

Atao antoka ny tanindrazana ?

Tena tsara ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana tahaka ny Autoroute, ary efa hita fa manana traikefa amin’io ry zareo Sinoa. Ny manitikitika amin’ity raharaha ity dia ny hoe :efa fantatra fa tsy manam-bola ny fanjakana Malagasy, ka inona ary no takalon’ny fanamboarana Autoroute mety hataon’ny Sinoa eto amin’ny alalan’ny CRBC ? Ny Maorisianina efa nomena tany any Tolagnaro amin’ny alalan’ilay ZES, tany Singapour naderaderan’i Hery Rajaonarimampianina fa mbola manana tany 18 tapitrisa Hektara azo trandrahana tsara i Madagasikara. Ka inona indray no atao antoka any Macao ho takalon’ny fanamboarana lalambe mikodana eto ? Iny eo ihany fa ny tena mampanahy ireo maharaka tsara izao fahazotoan’ny filoha mankany Azia izao dia ny hoe : sao dia efa miroso amin’ny resaka « financement parallèle » efa nampidi-kizo ny firenena taloha indray ary ny fitondrana HVM ka ny tanindrazana mihitsy no atao antoka amin’ireo orinasa vahiny goavana ? Efa hita ihany anefa ny toetra ratsin’ireo Sinoa sasany eto Madagasikara mila azy ho mpandraharaha. Mbola Sinoa no mividy ny 90%-n’ny boaderozy avy aty Madagasikara.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT