Tsy tonga nanotrona ny zaikaben’ny antoko HVM, ny sabotsy lasa teo, ny filoham-boninahitra ity antoko ity dia ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, saingy nitondra hafatra manoloana ny fiainam-pirenena.
Tao anatin’izany no nilazany fa antoko manaja ny lalàna ny HVM. Nisy ihany koa ny filazana zavatra maro izay vitany nandritra ny naha teo amin’ny fitondrana ny antoko. Najoro ny fotokevitra mifototra amin’ny fotodrafitrasa fototra hampandrosoana maharitra sy iarahana. Niakatra hatramin’ny 5,1% PIB tamin’ny taona 2018. Mety tsy hay, hoy izy, ny nampahafantatra an’izany tamin’ny vahoaka ka hifonana amin’ny Malagasy ireny. Nisy tokoa ny lesoka ka tsy nanatanterahana izay araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. Ny zava-misy kosa dia nandova ireo zavatra natao sy efa natomboky ny HVM ny fitondrana ankehitriny. Betsaka ireo fotodrafitrasa napetraka amin’ny alalan’ireo asa efa natomboka sy nitondrana ny famatsiam-bola. Misy tsy voatokana ary tsy mbola vita kanefa tohizana hatramin’izao sady ao anatin’ny taona maromaro mihitsy. Ny ady amin’ny fahantrana no ady voalohany hanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka ka mila paikady ara-tsosialy sy ara-toekarena matotra sy tsara fototra miaraka ny fotodrafitrasa sy enti-manana ara-bola entina hanatanterahana izany, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Nilaza kosa izy fa nandritra ny fitantanany dia tao ihany koa ireo mpanatsatso sy mpamotika ary sahy nandainga fa « tsy nisy nation-dRajao … » Ny marina tsy azo hafenina ary tsy azo totofana, hoy hatrany izy. Maro ny lainga nafafy nentina nandemena sy namolavolana ny toe-tsain’ny vahoaka. Nohamafisiny hatrany fa tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fitonianna eo amin’ny fiarahamonina, any amin’ny faritra rehetra, indrindra eo amin’ny fitoniana ara-politika. Koa aoka hohalavirana ny herisetra sy fampihorohoroana ary fifanenjehana amin’ny endriny samihafa, indrindra amin’ireo tsy mitovy hevitra sy foto-kevitra. Mila fisandratana ny toe-tsaina ho fanavotana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny hafatra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.