Politique

Hery Rajaonarimampianina Haka ireo boaderôzy tratra tany Maorisy ?


  • Zoma 11 Martsa 2016

Nihazo ny Nosy Maorisy omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasiona tarihiny.

 

 Vahiny manokana nasaina amin’ny fetim-pirenena maorisianina, hankalazaina ny 12 martsa izy. Mby ao an-tsaina avy hatrany ny amin’ireo boaderôzy tratra tany Maorisy tamin’ny andron’ny tetezamita raha vao miresaka an’ity Nosy ity. Raha nivahiny tany an-toerana ny praiminisitra am-perinasa Ravelonarivo Jean tamin’ny taon-dasa, dia nilaza fa naverin’ny Maorisianina amin’ny Malagasy ireo andramena ireo. Tsy mbola tonga eto hatramin’izao anefa izany. Hasian-dresaka mandritra izao dian’ny filoha any izao ve ny amin’ireo andramena ireo, sa haka azy izy mivady lasa iny ? Minisitra telo no miara-dia aminy any dia Rivo Rakotovao, Atallah Béatrice ary Narson Rafidimanana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT