Mafy ny te hahazo fahefana sy te ho tonga eo amin’ny fitondrana, ary vao mainka mafy kokoa ny tsy te hiala eo amin’ny fitondrana. Fanasana atidoha manara-penitra no ataon’ny kandidam-panjakana ankehitriny. Dradradradraina etsy sy eroa fa hoe hery vaovao hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara, hono.
Rehefa tena dinihana anefa ny zava-misy marina dia, tsy iza fa ireo dinaozoro politika sy olona efa manana traikefa amin’ny fivadibadihana palitao no ao an-damosin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Ka inona no zava-baovao sy fanovana azo antenaina amin’ireo olona efa nampikatso ny firenena sy nahatonga ny krizy nifandimby teto ? Manoloana izany dia misy ny fanontaniana manitikitika ny saina manao hoe : sao dia tetika hanalavana ny fijanonan’ny mpanongam-panjakana eo amin’ny fitondrana fotsiny no nanasisihana haingana ity kandida ity fa tsy izany hoe hitondra fanovana izany akory ? Hita amin’ny zavatra ataony fa tena tsy mitsitsy vola avoaka ity kandida ity, ary tsy miasa saina amin’ny resaka vola mihitsy. Misy anefa ny kandida sasany tena vaky loha sy mitsangam-bolo manoloana ny vola tsy maintsy laniana amina afisy sy ny dokambarotra etsy sy eroa, hany ka tsy ampy intsony ny teo am-pelatanana mba hanamboarana t-shirt sy kaskety hozaraina maimaimpoana.
Efa niaraha-nahita ny fomba nitantanana ny fanjakana teto tao anatin’izay efa-taona izay, maro ny zavatra tena manjavozavo sy tsy mazava momba ny fitantanana ny volam-panjakana, ny vola miditra sy ny vola mivoaka. Inona marina ny tena zava-misy ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ? Nankaiza marina ny vola azon’ny fitondrana tetezamita avy amin’ny Wisco mitrandraka vy any Soalala ? Lasa aiza daholo ny vola azo avy amin’ny fanomezan-dalana ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany, niditra teto nanomboka tamin’ny 2010 ? Ilay minisitry ny vola ity no atosika mafy dia mafy ho lasa filoham-pirenena, ary efa mirangorango manodidina azy ireo mpikaramanady politika, tompondakan’ny famadihana palitao, Arema izy taloha, avy eo lasa TIM, izao indray TGV manohana kandidan’i Andry Rajoelina. Izany ve no antenaina fa hitondra rivo-baovaon’ny fanovana eto ? Any anaty nofy angamba a, miteny ho azy ny teny Antanikatsaka Itaosy (Atsimondrano) sy ny teny Ankadikely (Avaradrano) ny talata lasa teo, fa nangaina, tsy tonga ny olona na totoafo aza ny fanentanana satria efa mahatakatra ny fiaingan’ity kandida ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.