Hery Rajaonarimampianina

> Namita-tena tany Alaotra


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Nampanantena zavatra betsaka ho an’ny vahoaka any Alaotra ny kandida Hery Rajaonarimampianina, nandritra ny fampielezan-kevitra notontosainy tao Andilamena, Amparafaravola ary Ambatondrazaka.

Natao fafikatrana ny fizarana t-shirt ary notaterina tamin’ny fiara lehibe sy kubota ny avy any ambanivohitra mba hanotrona ny fampielezan-keviny. Notambazana vola miampy t-shirt ny taxi-moto 10 isaky ny kaoperativa mba hanamaro isa ny mpanotrona ny fampielezan-kevitra. Ny famoronana asa ho an’ny tanora sy ny fanampiana ny renim-pianakaviana no laharam-pahamehana amin’ny fandaharan’asany. Nanambara ity kandida ity fa ny traikefany teo amin’ny fitantanany ministera no entiny hohatsaraina amin’ny fitondrana ny firenena raha lany eo izy. Efa fantatry ny vahoaka any Alaotra anefa ny maha kandidam-panjakana an’i Hery Rajaonarimampianina, fanjakana izay tsy nahavita nanamboatra ny kianja Rasolonjatovo. “Koa inona no hery azo antenaina amin’izany ?”, hoy ny vahoaka. Ny latsabato amin’ny 25 oktobra izao no ahitana ny marina.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT