Ny renivohitr’i Betsileo no nofidian’ny minisitry ny fitantanam-bola teo aloha Hery Rajaonarimampianina, hisehoana voalohany amin’ny maha kandida filoham-pirenena azy.
Asa na mahatsiaro ho tratra aoriana ity kandidà nisolo toerana an’i Kolo Roger sy ny Dr Jules Etienne ary tohanan’i Andry Rajoelina ity, ka mihevitra ny hanonitra ny fahatarana, fa dia manao be fiavy. Toy ny efa fampielezan-kevitra sahady ny azy, omaly zoma 30 aogositra, nampiseho ny heriny tamin’ny fiantsoana olona hanotrona azy teny an-tseranam-piaramanidina Beravina ka hatrao amin’ny kianja filalaovam-baolin’Ampasambazaha, notronin’ny minisitry serasera Rahajason Harry Laurent, ny minisitra teo aloha isany Virapin Ramamonjisoa sy Rina Andriamandavy VII. Hitondra hery vaovao eto Madagasikara hialana amin’izao krizy izao no antony nanekeko hirotsaka hofidiana, hoy ny kandidà Rajaonarimampianina. Hisokatra ho an’ny rehetra ny tenako ary tsy handà izay rehetra te hiaraka hiasa amiko. Homena tombony manokana, hoy izy, ny tanora sy ireo mpandraharaha ara-toekarena, fa hapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy i Madagasikara manomboka izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.