Hery Rajaonarimampianina

> Kandidan-dRajoelina 100%


  • Talata 22 Oktobra 2013

Inona no hambarany ? Raha tafaverina avy any New York, namonjy ny fivoriambe faha-68-n’ny Firenena Mikambana i Andry Rajoelina dia nilaza fa hijery aloha mialoha ny hanambarany izay kandida tohanany na mitovitovy fomba fijery aminy.

Hatreto, tsy mbola nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny safidiny ny filohan’ny tetezamita, saingy na izany aza dia efa fantampatantry ny rehetra ihany fa i Hery Rajaonarimampianina, minisitry ny vola teo aloha no tohanany. Io ilay noresahana hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra hoe kandidam-panjakana. Miraradraraka ny vola ampiasain’ity kandida ity, ataony fafikatrana ny akanjo t-shirt, tsy miafina intsony ny fanohanan’ny haino aman-jery natsangan’i Andry Rajoelina azy sy ny fivoizana ny foto-keviny. Mibaribary be fa ny orinasan-tserasera sy dokambarotra natsangan’i Andry Rajoelina no manamboatra sy mikarakara ny afisin’ity kandida ity no sady mandravaka ireo fiara rakotra ny sariny mivezivezy manerana an’i Madagasikara. Avy aiza ny vola ary inona no tambiny ? Tsara homarihana fa anisan’ireo kandida telo nisafidianana nandritra ny kongresin’ny TGV i Hery Rajaonarimampianina, niaraka tamin’ny jeneraly Camille Vital sy i Edgard Razafindravahy. Ity farany no voafidy ho kandidan’ny antoko volomboasary. Tsy dia naharesy lahatra ny mpikambana TGV firy anefa ingahy Edgard, ary hita ihany koa fa mifanipaka fomba fijery amin’ny filohan’ny tetezamita amina sehatra maromaro ihany rehefa nozohiana akaiky ny nambarany nandritra ny fampielezan-kevitra. Mety nahatarika ny olon’ny TGV ihany i Camille Vital, saingy hita fa tsy tena mitovy tadin-dokanga amin’i Andry Rajoelina ary hita fa tsy manana herijika hofidiana ho filoha izany, ary mety tsy haharesy tosika ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana.

Teo no nasisika tampoka i Hery Rajaonarimampianina izay anisan’ireo olona tena akaikin’ny filohan’ny tetezamita, no sady tena atokisany, ary efa nitety faritra hatry ny ela nanomana ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy olom-baovao mihitsy noho izany izy fa dia kandidan’ny TGV, ary kandidan’i Andry Rajoelina ihany. Miteny ho azy koa ny sary any amin’ny fitetezam-paritra fa dia miara-dia amin’ity kandida ity ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita sy ny ankamaroan’ireo CST sy CT avy amin’ny antoko TGV. Tsy resahana intsony amin’izany ny fanetsehana ny mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana any amin’ny faritra tsidihan’ity kandida ity. Efa maro ihany koa ny resabe re etsy sy eroa izay milaza fa atao ny fomba rehetra hahalany an’i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena, eny fa na dia hitarika korontana tahaka ny tany Cote d’Ivoire aza izany. Manginy fotsiny ny maha mpanolotsain’ity kandida ity tao amin’ny ministeran’ny vola an-dRtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T ary fantatra fa tena anisan’ireo namany akaiky mihitsy. Izay ve no mahatonga ny fahanginan’ny CENI-T manoloana ireo fandikan-dalàna samihafa tsikaritra, toy ny fisiana afisy any anaty biraom-panjakana ao Analavory, afisin’ny kandida mipetaka amin’ny biraom-pokontany, prezidan’ny Fokontany mitety trano manao fampielezan-keviny, lefitra PDS mizara akanjo misy sarin’ny kandida tao Mahajanga … Miandry ny ho fitrangany ny rehetra ary tena miandry izay ho fihetsiky ny CENI-T marina satria izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana, fifidianana izay tokony hampiseho ny tena safidin’ny vahoaka fa tsy sanatria fombafomba natao fotsiny mba hampandaniana olona iray.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT