Miampy iray indray ireo minisitra am-perinasa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Nanatevin-daharana an’i Hajo Andrianainarivelo, Tabera Randriamanantsoa ary Pierrot Rajaonarivelo koa ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina.
Rehefa nailiky ny CES ny kandida isany Kolo Roger sy Jules Etienne dia niray feo hanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida nisolo azy ireo ary tsy nanda izany ingahy minisitra, araka ny fanazavany omaly hariva. Iray tamin’ireo olona telo nisafidianan’ny antoko TGV nandritra ny kongresy voalohany nataony teny Andranomena ho kandida i Hery Rajaonarimampianina. Tany amin’i Edgard Razafindravahy anefa no niantefa ny safidin’ny mpizaika. Tsy nahatsindry fo ka dia nitarika ekipa ary nandatsa-tena ny jeneraly Camille Vital izay efa niandrandra mafy ny ho kandidan’ny TGV. Kandida sisam-pidy izany i Hery Rajaonarimampianina. Anisan’ireo olo-mahatoky an’i Andry Rajoelina izy, ka maro koa no mihevitra fa lojika ny handrosoan’i Andry Rajoelina azy ho kandida rehefa voailika ihany ny tenany. Baraingo ihany mantsy ny hoe fifanojoan’ny safidin’i Kolo Roger sy Jules Etienne kandida roa kandida voailika, taminy fa mety ho natao fitaovana fotsiny ihany ireo fa i Andry Rajoelina no tena ao ambadik’izao. Ny CES moa no tompon’ny teny farany, ary anio no hamantarana na mahafeno fepetra na tsia ny filatsahan-kofidiany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.