Hery Rajaonarimampianina

> Jaobarison «Media Consulting» no Talen’ny fampielezan-keviny


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Nampiseho ireo mpiara-miasa aminy tamin’ireo mpampahalala vaovao tetsy amin’ny ivontoeram-piasany ny kandida Hery Rajaonarimampianina omaly hariva.

Fantatra tamin’izany fa olona tsy zoviana amin’ny tontolon’ny serasera sy fifandraisana no napetrany ho talen’ny fampielezan-keviny dia Randrianarivony Jaobarison, Media Consulting. Hiaraka hitantana ny fampielezan-kevitra amin’izy io kosa i Rachid Mohammed izay mpiara-dia tamin’i Kolo Roger, izay kandida voailika ary nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina hisolo toerana azy. Araka ny efa fantatra dia kandida roa izay nolavin’ny CES ny firotsahan-kofidiany no nanolotra ity kandida Hery Rajaonarimampianina ity. Na izany aza anefa dia milaza izy fa kandidan’ny fampiraisana ary koa kandidan’ny vahoaka sy ny maro an’isa (?). Etsy andanin’izany dia mampametra-panontaniana ny maro ny mahakasika ny Media Consulting izay tantanan-dRandrianarivony Jaobarison kanefa fantatra fa hikarakara ny fampielezan-kevitry ny kandida hafa. Nohazavainy tamin’izany fa asa tahaka ny asa rehetra no ataon’ny Media Consulting miaraka amin’ny kandida sasany fa amin’ny maha Jaobarison ny tenany kosa no iarahany miasa amin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT