Miha mazava ankehitriny ny kandidan’ny fitondrana tetezamita amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, dia i Hery Rajaonarimampianina. Fandrebireben-tsaina fotsiny ny hoe kandida mpisolo toerana izy fa efa niomana sy nomanina ho amin’izany fifidianana izany.
Mba mahagaga ihany mantsy hoe fikambanana hafa ivelan’ireo fikambanana nanolotra an’i Kolo Roger an-kilany sy Jules Etienne an-daniny, izay samy kandida nailiky ny CES indray no nakana kandida mpisolo toerana. F’angaha dia tsy nisy olon-kafa intsony tao anatin’ny fikambanana nanolotra azy roalahy ireo, sa dia ny honjohonjon’izy ireo samy irery no tao. Mihazakazaka mitety faritra, manao dokambarotra ny tenany ankehitriny ingahy kandida mpisolo toerana ary dia otronin’ny minisitr’i Andry Rajoelina hatrany amin’izay toerana isehoany. Tsy vitan’izay fa dia iangarana, mahazo ankalalahana hampiasa fotodrafitrasam-panjakana hatrany ary mibahana amin’ny haino aman-jery. Mangina ny CENI-T manoloana izany. Nampiasa ny kianjan’Ampasambazaha izy tao Fianarantsoa tamin’ny sabotsy heriny, ary omaly indray dia nomena hampiasa malalaka ny Kianja monisipalin’i Moramanga ihany koa. Naniry ny mba hampiasa io toerana io koa anefa Rtoa Lalao Ravalomanana raha nihaona tamin’ny vahoakan’i Moramanga tamin’ny 20 jona 2013 saingy tsy nomena.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.